TAGNAMARO VOLANA OKTOBRA TSIROANOMANDIDY FARITRA BONGOLAVA

Isan’ny làlana maro mpampiasa amin’ny famoaham-bokatra amin’iny ilany avaratry ny fokontany Morafeno Avaratra Kaominina Tsiroanomandidy Fihaonana iny ny làlana miakatra ao Anosibe. Arak’izany, nanaovana hetsika Tagnamaro tany an-toerana.

Fa ankoatr’izay, nisy ihany koa ny fanadiovana faobe notanterahina tao antampon-tanànan’ny Morafeno Avaratra niarahana tamin’ireo mponina tany an-toerana.

Nahavelombolo ny Firaisankinan’ny rehetra nandritra ny Tagnamaro andron’ny olompirenena toy ity notanterahina tao amin’ny Fokontany Morafeno Avaratra Kaominina Tsiroanomandidy Fihaonana ity.

Nohararaotin’Andriamatoa Radoniaina RAZAFINDRAKOTO Talem-paritry ny Serasera sy Kolontsaina teto ny amin’ny fanentanana ny mba hanohizana hatrany ny hetsika fiaraha-mientana sahala amin’izao Tagnamaro izao ahafahana manao asa iombonana ho tombotsoa iraisan’ny rehetra izay isan’ny lalantsain’ny Tagnamaro.

#MSK

#DRCC

#kolontsaina