COMMUNIQUE
Manameloka tanteraka ny fikasana hanao korontana amin’ny fidirana an-keriny eo amin’ny Kianjan’ny 13 mai amin’ny Sabotsy ho avy izao ny Governementa.
Manao antso avo ny Governemanta amin’ny fandraisan’andraikitry ny rehetra mba hiaro ny fiandrianan’ny vahoaka malagasy hifidy izay hitondra ny firenena sy ny fenitra demokratika.
Miantso ny mpisehatra rehetra amin’ny fifidianana, indrindra ireo mpiara-miombon’antoka amin’i Madagasikara, mba hanohy ny fanohanana ny fikarakarana ny fifidianana, ho fanajana ny tetiandrom-pifidianana araka ny lalam-panorenana