TAGNAMARO TOLIARA I, FARITRA ATSIMO-ANDREFANA
Notanterahina ny Asabotsy 21 oktobra 2023 teo ny tagnamaro tato @ fitaleavam-paritry ny Serasera sy ny Kolontsaina Atsimo-Andrefana.
Ny fanadiovana ny lalana vaovao izay manomboka eo amin’ny Eglizy Katolika sanfily ka hatreo amin’ny Bonara be Andakoro no natao tao anatin’izany. Ny fotoana dia nanomboka tamin’ny 7ora maraina ka nandray anjara tamin’izany ireo mpitandro filaminana isan-tokony, tonga teo ihany koa ireo avy ao amin’ny Zendarmaria, Polisy ary ny Tafika.
Teo ihany koa ireo avy @ APMF izay nanatevin-daharana.