FIZARAM-BAOVAO MOMBA NY FAMPIDIRANA NY “HIRAGASY” HO ISAN’NY HAREMBAKOKA ARA-TSAIN’NY ZANAK’OLOMBELONA

Mahafaly ny Minisiteran’ny Serasera sy ny Kolontsaina ny manambara fa manolo-kevitra ny hankatoavan’ny komity iraisan’ireo Governemantan’ireo firenena mpikambana amin’ny fifanarahana iraisam-pirenena momba ny fikajiana/fiarovana ireo Harembakoka ara-tsain’ny zanak’olombelona (Convention pour la sauvegarde du patrimoine culturel immatériel) ny fampidirana ny “HIRAGASY” ao anatin’ny lisitry ny Harembakoka ara-tsain’ny zanak’olombelona (Patrimoine immatériel de l’Humanité), ny komity mpanao sivana (Organe d’Evaluation) eo anivon’ny UNESCO.

Ny 4 hatramin’ny 9 desambra 2023 ho avy izao no hivory any Kasane, Botswana io komity fara-tampony mpandray fanapahan-kevitra eo anivon’ny fifanarahana iraisam-pirenena momba ny fikajiana/fiarovana ireo Harembakoka ara-tsain’ny zanak’olombelona (Convention pour la sauvegarde du patrimoine culturel immatériel) io, ka mandritra izany no hiandrasana izany fanapahan-kevitra izany sy ny fanambarana ofisialy ny maha Harembakoka ara-tsain’ny zanak’olombelona eo anin’ny UNESCO ny “Hiragasy”.

Aorian’izany fanambarana ofisialy izany, dia ny “Hiragasy” no kolontsaina malagasy faharoa tafiditra anatin’ny Harembakoka ara-tsain’ny zanak’olombelona eo anin’ny UNESCO nandritra izao fitondrana izao, taorian’ny “Kabary”.

Tsiahivina fa ny volana aprily 2022 no nametrahan’ny ekipan’ny Minisiteran’ny Serasera sy ny Kolontsaina ity antontan-taratasy momba ny Hiragasy ity teo anivon’ny UNESCO.

*Sary tahiry