DOM-BERA 6 ANTSA TONONKALO
Mba ho fanandratana sy ho fampiroboroboana ny literatiora Malagasy sy ny zava-kanto, dia misy antsa tononkalo mitondra ny lohateny hoe « DOM-BERA 6 » ao amin’ny Ivokolo Analakely efitrano Charles Ravaloson, ny Alarobia 15 Novambra 2023 manomboka amin’ny 02ora sy sasany. Poeta enina mianadahy no hiantsehatra amin’izany.
Maimaim-poana ny hetsika koa manasa ny antsika rehetra tsy ankanavaka ho tonga maro.