TAGNAMARO DISTRIKAN’I TOLIARA I

FARITRA ATSIMO-ANDREFANA

Nanatanteraka tagnamaro, andron’ny olom-pirenena ny teto Toliara renivohitra ka fanadiovana ny lalana avy eo amin’ny farany tambohon’i Star akaiky Bazary Sakama ka manaraka ny lalana mihazo an’i Maninday Oniversiten’i Toliara no natao tamin’izany.

Efa tafiditra ao anatin’ny vanim-potoana fahavaratra tokoa isika amin’izao fotoana izao, ka tsara ny hanesorana mialoha ireo fako sy tany mivangongo eny amin’ny lalana mety hahatsetsina ireo lakan-drano fivarinan’ny rano rehefa fotoam-pahavaratra tahaka izao sady manatsara ny endrika ny tanàna ihany koa ny fisian’ny hetsika toy izao satria ho fanentanana amin’ny mpiara-belona no sady anisan’ny mitondra fampandrosoana ny tanàna.

Ny Fitaleavam-paritry ny Serasera sy ny Kolontsaina Atsimo Andrefana dia mankasitraka hatrany an’ireo mpandray anjara rehetra hatrizay sy ny mbola ho avy satria mahatsapa fa tena zava-dehibe ary ho tombotsoa iombonana tokoa ny anaovana ny Tagnamaro.