LANONANA FANAMBARANA MANETRIKETRIKA NY NAMPIDIRANA NY HIRAGASY HO HAREMBAKOKA ARA-TSAIN’ NY ZANAKOLOMBELONA

Notanterahina androany Alahady 10 Desambra 2023 tao amin’ny Kianjan’ny Hiragasy Ampefiloha ny lanonana fanambarana manetriketrika ny nampidirana ny hiragasy ho harembakoka ara-tsain’ny zanakolombelona, lanonana notarihin’ny Filoham-panjakana mpisolo toerana ny Jeneraly RAVALOMANANA Richard niaraka tamin-dRamatoa Minisitry ny Serasera sy ny Kolontsaina mpisolo toerana Gabriella Vavitsara RAHANTANIRINA, ary ny Sekretera Jeneralin’ny Vaomieram-pirenena Malagasy momba ny UNESCO Manda RAVELOJAONA.

Nasain’ny Minisitera manokana ny Minisitry ny Serasera sy ny Kolontsaina teo aloha Lalatiana RAKOTONDRAZAFY izay nitarika sy nitondra ity asa lehibe fampidirana ny Hiragasy ity tao anatin’izay 5 taona latsaka kely izay.

Ny Talata 5 Desambra 2023 teo tokoa no nisy ny fivoriana faratampony iraisan’ireo Governemanta maneran-tany eo anivon’ny UNESCO tany Botswana nanapaka ny fampidirana ny hiragasy ho harembakoka ara-tsain’ny zanakolombelona.

Nandritra ity lanonana androany ity no namakian’ny Filoham-panjakana mpisolo toerana ny fanambarana manetriketrika izay narahin’ny fanehoana ny sary famantarana maneran-tany ny hiragasy ho harembakoka ara-tsain’ny zanakolombelona. Natolotry ny Filoham-panjakana ny Filohan’ny Federasion’ny hiragasy sy ny Biraon’ny Federasiona ny saina misy ny sary famantarana ary nakarina ho talaky maso ao amin’ny Kianjan’ny Hiragasy.

Nisy ny lahateny fisaorana nataon’ny Filohan’ny Federasion’ny Hiragasy izay narahin’ny kabarin-dRamatoa Minisitry ny Serasera sy ny Kolontsaina mpisolo toerana, ary nofaranan’Andriamatoa Filoham-panjakana mpisolo toerana.

Samy niarahaba ny mpanao hiragasy sy ny vahoaka Malagasy izy telo ireo satria andro lehibe ho an’ny hiragasy sy ho an’ny kolontsaina malagasy ny andro androany. Samy nisaotra ny Minisitra teo aloha Lalatiana RAKOTONDRAZAFY sy ny ekipan’ny Minisiteran’ny Serasera sy ny Kolontsaina ihany koa izy telo ireo noho ny nikarakarana ny antontan-taratasy sy ny dingana rehetra nahazoana izao vokatra goavana izao.

Notantarain-dRamatoa Minisitry ny Serasera sy ny Kolontsaina mpisolo toerana Gabriella Vavitsara RAHANTANIRINA ny dingana rehetra nataon’ny Minisitera nanomboka tamin’ny nanapahana hevitra ny volana Mey 2019 hampiditra ny Hiragasy sy ny Kabary Malagasy.

Ity tokoa no harembakoka ara-tsain’ny zanakolombelona fahatelo tafiditr’i Madagasikara anatin’izany lisitra miezinezina izany, ny Kabary Malagasy no tafiditra farany 2 taona lasa izay ary mbola ny Minisitera ankehitriny no nikarakara izany, ny taohazo Zafimaniry no nampidirina efa 21 taona lasa izay.

Nandravaka izany lanonana manetriketrika izany ny ady hiragasy goavana nifanandrinan’ny Tarika Marie Louise Anivorina sy ny Tarika Fredikely Imerintsiatosika.