NITSIDIKA NY ROVAN’IMADAGASIKARA NY MASOIVOHON’NY REPOBLIKAN’I INDIA MIASA SY MONINA ETO MADAGASIKARA.

Tonga nitsidika ny Rovan’i Madagasikara androany Alatsinainy faha 11 Desambra maraina Andriamatoa BANDARU WILSONBABU Masoivohon’ny firenena Indiana eto Madagasikara sy ny mpiara-miasa aminy.

Naharitra adiny iray sy sasany be izao izany satria ny Rovan’i Madagasikara iray manontolo mihitsy no notsidihiny. Nilaza Andriamatoa « Ambassadeur » fa maro ireo zava-mahaliana ao ary tombony ho an’ny malagasy ny manana toerana mirakitra ny tantaram-pirenena toa ny Rovan’i Madagasikara. Anisan’ny nahaliana azy sy nametrahany fanontaniana maromaro, ny tantaran’ny mpanjaka Radama I izay nifandray maharitra tamin’ny anglisy. Ny firenena Indiana izay zanatanin’ny firenena anglisy nadritra ny 190 taona. Marihina fa firenena lehibe sy matanjaka ary manankarena tantara sy vakona ny firenena indiana.

Marihina ihany koa fa efa maromaro izay ireo solontena diplomatika nitsidika ny Rovan’i Madagasikara.

#rovan_i_madagasikara

#Minisiteran_ny_Serasera_sy_ny_Kolontsaina

#masoivoho_indiana_eto_madagasikara