TAGNAMARO ATSIMO-ANDREFANA DISTRIKAN’I TOLIARA I

Teto amin’ny birao n’ny Kolontsaina Tsienengea Toliara no nanaovana ny hetsika Tagnamaro tamin’ity farany taona 2023 ity raha ho an’ny Fitaleavam-paritry ny Serasera sy ny Kolontsaina ato Atsimo-Andrefana.

Nodiovina ny ato anoloan’ity Birao ity satria anisany toerana be mpandeha amin’izao manakaiky ny fetin’ny faran’ny taona izao. Naverina amin’ny laoniny ihany ny endrika ety an-tokotany sy fanadiovana faobe ny tany anaty birao.

Ireo no asa natao tao anatin’ity hetsika Tagnamaro natao teto amin’ny birao Tsienengea ity. Niara-nientana ny mpiara miasa rehetra eto anivon’ny Fitaleavana nanome endrika vaovao sy nanadio ny toeram-piasana mba ho fiantohana ny fahasalamana ho an’ny samy mpiara miasa, hitsenana ny taombaovao 2024.