FITSIDIHANA NY FAMPIRANTIANA NY SANGAN’ASAN’I Β«Β πŒπ€πƒπ€πŒπ„ π™πŽΒ Β» TAO AMIN’NY Β«Β π™π™Šπ™‰π˜Ώπ˜Όπ™π™„π™Šπ™‰ 𝙃 ».

Nitsidika ny fampirantiana ny sangan’asan’i Β«Β πŒπ€πƒπ€πŒπ„ π™πŽΒ Β» na Zoarinivo RAZAKARATRIMO, izay atao ao amin’ny Β«Β π™π™Šπ™‰π˜Ώπ˜Όπ™π™„π™Šπ™‰ 𝙃 » etsy Analakely ny Minisitry ny Serasera sy ny Kolontsaina π‘¨π’–π’ˆπ’–π’”π’•π’Šπ’ 𝑨𝑡𝑫𝑹𝑰𝑨𝑴𝑨𝑡𝑨𝑡𝑢𝑹𝑢 sy ny mpiara-miasa aminy androany.

Fomba entina hanajΓ na ity artista malagasy ity sy ny asany ary hampahafantarana an’izao tontolo izao ny zavakanto ataony ny anton’ity fampirantiana ity. 80 no isan’ny sangan’asan’i Madame Zo miranty eto nanomboka ny volana aprily 2023. Ny taona 2020 teo no nindaosin’ny fahafatesana i « Madame ZoΒ Β».
Niara-niasa tamina « mpahay rahaΒ Β» manerantany (experts internationaux) ny « Fondation HΒ Β» nanomana ity fampirantiana ity sy nandinika ireo asa tanan’i « Madame ZoΒ Β» ireo. Olona maherin’ny 85 000 no efa nitsidika teto hatramin’ny niandohan’ny fampirantiana.
Zava-dehibe ny fananana toerana manokana toy izao hoy ny Minisitra π‘¨π’–π’ˆπ’–π’”π’•π’Šπ’ 𝑨𝑡𝑫𝑹𝑰𝑨𝑴𝑨𝑡𝑨𝑡𝑢𝑹𝑢 mba ahafahan’ny taranaka aty aoriana mahalala sy mahatsiaro ny kantony. Ilainy ihany koa ny fiaraha-miasa amin’ny mpiara-miombonantoka tahaka izao hoy ny Minisitra mba ho fanohanana sy fanandratana avo ny kolontsaina.

Ny fanenonana izay isian’ny kolotsaina mampiavaka ny Malagasy no tena talentan’i « Madame ZoΒ Β» ary nampiasainy tamin’ny sangan’asany avokoa ny akora rehetra toy ny lamba, ny « bande magnΓ©tiqueΒ Β» fampiasa amin’ny kasety fahiny, ny tarobia, ny raokandro malagasy, ny hazo sns…