« EJIPTA »: HIZARA TRAIKEFA MOMBA NY FIKOLOKOLOANA IREO HAREM-BAKOKA

Nanao fitsidihana ara-pomba fifanajana ny minisitry ny Serasera sy ny Kolontsaina 𝐀𝐍𝐃𝐑𝐈𝐀𝐌𝐀𝐍𝐀𝐍𝐎𝐑𝐎 𝐀𝐮𝐠𝐮𝐬𝐭𝐢𝐧 androany alatsinainy 25 Marsa ny masoivohon’i 𝑬𝒋𝒊𝒑𝒕𝒂 monina sy miasa eto amintsika 𝑹𝒂𝒃𝒂𝒃 𝑺. 𝑨𝒃𝒅𝒆𝒍𝒉𝒂𝒅𝒊.

Nisaotra ny minisitry ny Kolontsaina Ejiptiana ramatoa 𝑵𝒆𝒗𝒆𝒆𝒏 𝑨𝒍-𝑲𝒊𝒍𝒂𝒏𝒚 ny minisitra malagasy tamin’ny taratasy fiarahabana izay nalefany taorian’ny nanendrena azy hitantana ny ministeran’ny Serasera sy ny Kolontsaina ary koa ny fiarahabana ny vahoaka malagasy sy ny fitondram-panjakana ankehitriny, tamin’ny nahatafiditra ny « 𝐇𝐈𝐑𝐀𝐆𝐀𝐒𝐘 » ho isan’ireo harem-bakoka maneran-tany tsy azo tsapain-tanana.
Vonona ny hanampy an’i Madagasikara amin’ny fiarovana sy fikolokoloana ireo harem-bakoka malagasy i Ejipta. Nodinihina nandritra ity fihaonana ity ny fomba hahafahana mandefa ireo mpiara-miasa eto anivon’ny ministera misahana ny fikolokoloana ireo harem-bakoka handranto fiofanana any Ejipta sy ny fandefasan’izy ireo manam-pahaizana samihafa ho avy eto Madagasikara.
Nambaran’ny minisitry ny Serasera sy ny Kolontsaina fa mila maka traikefa amin’ny ejiptiana isika noho ity firenena ity izay manankarena tokoa eo amin’ny lafiny kolontsaina noho ny tantarany efa nisy hatramin’ny 6000 taona mahery. Eo koa ny fananan’izy ireo toerana maro isan’ny lehibe indrindra maneran-tany mitahiry ireo harena ara-kolontsaina nanamarika ny tantarany.
Mahavelombolo ny fahavononan’i Ejipta hanampy an’i Madagasikara hampiroborobo ny sehatry ny kolontsaina!
(𝑽𝒆𝒓𝒔𝒊𝒐𝒏 𝒇𝒓𝒂𝒏𝒄̧𝒂𝒊𝒔𝒆)
Visite de courtoisie de l’ambassadrice de l’Égypte au ministre de la Communication et de la Culture de Madagascar aujourd’hui.
Le ministre de la Communication et de la Culture, M. Augustin ANDRIAMANANORO, a transmis à l’ambassadrice de l’Égypte, Mme Rabab S. Abdelhadi, sa gratitude envers la ministre de la Culture égyptienne, Mme Neveen Al-Kilany, ainsi qu’une lettre de remerciement pour ses félicitations suite à sa nomination et pour celles adressées au peuple malgache et à l’Etat malgache suite à l’inscription du hiragasy sur la liste représentative du patrimoine culturel immatériel de l’humanité de l’Unesco.
Les deux personnalités ont discuté de l’appui de l’Égypte à Madagascar en termes de formation et de gestion des sites culturels. Il a été envisagé la possibilité de formations en Égypte pour le personnel malgache et l’envoi d’experts égyptiens dans la grande île.
Le ministre Augustin Andriamananoro a souligné l’importance de l’expertise égyptienne en matière culturelle, ce pays millénaire disposant des plus grands monuments, sites culturels et musées au monde.

La coopération avec l’Égypte est très prometteuse et ouvre de nouvelles perspectives pour Madagascar.