FIFAMINDRAM-PAHEFANA

Tontosa ny Alatsinainy 25 Marsa 2024 tao amin’ny 𝐸𝑓𝑖𝑡𝑟𝑎𝑛𝑜 𝐷𝑜𝑥, 𝑇𝑟𝑎𝑛𝑜𝑚𝑏𝑜𝑘𝑖𝑚-𝑝𝑖𝑟𝑒𝑛𝑒𝑛𝑎 Anosy ny fifamindram-pahefana teo amin’ny Talen’ny Kabinetra teo aloha andriamatoa 𝐇𝐚𝐣𝐚 𝐑𝐀𝐒𝐎𝐀𝐍𝐀𝐑𝐈𝐕𝐎 sy ny Talen’ny Kabinetra vaovao andriamatoa 𝐄𝐥𝐲𝐬𝐞́ 𝐑𝐀𝐍𝐀𝐑𝐈𝐕𝐄𝐋𝐎. Lanonana fohy natrehan’ny minisitry ny Serasera sy ny Kolontsaina andriamatoa 𝐀𝐍𝐃𝐑𝐈𝐀𝐌𝐀𝐍𝐀𝐍𝐎𝐑𝐎 𝐀𝐮𝐠𝐮𝐬𝐭𝐢𝐧 sy ireo mpiara-miasa rehetra.

Nisaotra ny Talen’ny Kabinetra teo aloha tamin’ny asa vitany ho an’ny ministera andriamatoa 𝐄𝐥𝐲𝐬𝐞́ 𝐑𝐀𝐍𝐀𝐑𝐈𝐕𝐄𝐋𝐎. Tsy zoviana amin’ny maro ary manana traikefa eo amin’ny lafiny haikanto, ny asa fanaovan-gazety ary efa nitondra avo ny lazan’i Madagasikara tany ampitan-dranomasina tamin’ny alalan’ny « bandes dessinées » ny Talen’ny Kabinetra vaovao izay nandray ny toerany androany.

Ny ministeran’ny Serasera sy ny Kolontsaina tarihin’ny minisitra Augustin ANDRIAMANANORO dia mirary soa an’andriamatoa Elysé RANARIVELO hahatontosa amin’ny antsakany sy andavany ny andraikitra nomena azy.