FAMOAHAM-BOKY: « IKALOMANGA »

« 𝐈𝐊𝐀𝐋𝐎𝐌𝐀𝐍𝐆𝐀 »: 𝗛𝗮𝗿𝗲𝗺𝗯𝗮𝗸𝗼𝗸𝗮 𝘀𝘆 𝗵𝗮𝗿𝗲𝗻𝘁𝘀𝗮𝗶𝗻𝗮 𝗻𝘆 𝘀𝗮𝗻𝗴𝗮𝗻𝗮𝘀𝗮𝗻’𝗶 𝗖𝗹𝗮𝗿𝗶𝘀𝘀𝗲 𝗔. 𝗥𝗔𝗧𝗦𝗜𝗙𝗔𝗡𝗗𝗥𝗜𝗛𝗔𝗠𝗔𝗡𝗔𝗡𝗔 »

Tontosa androany maraina tao amin’ny 𝐸𝑓𝑖𝑡𝑟𝑎𝑛𝑜 𝐷𝑜𝑥, Tranombokim-pirenena Anosy, ny famoahana tamin’ny fomba ôfisialy ny boky « 𝐈𝐊𝐀𝐋𝐎𝐌𝐀𝐍𝐆𝐀 » nosoratan’ilay andrarezin’ny literatiora malagasy 𝐂𝐥𝐚𝐫𝐢𝐬𝐬𝐞 𝐀𝐧𝐝𝐫𝐢𝐚𝐦𝐚𝐦𝐩𝐚𝐧𝐝𝐫𝐲 𝐑𝐀𝐓𝐒𝐈𝐅𝐀𝐍𝐃𝐑𝐈𝐇𝐀𝐌𝐀𝐍𝐀𝐍𝐀 ary novokarin’ny 𝐸𝑑𝑖siona 𝐴𝑚𝑏𝑜𝑧𝑜𝑛𝑡𝑎𝑛𝑦 tamin’ity volana marsa ity.

Tantara nosoratany tamin’ny taona 1967 « IKALOMANGA » ary nasiany fanitsiana tamin’ny taona 1978. Boky mitantara ny fiainana tovolahy kely avy any ambanivohitra nifindra monina niaraka tamin’ny ray aman-dreniny teto Antananarivo sy ny fahasahiranan’ireo mpila ravin’ahitra aty an-tanàndehibe izy ity kanefa mampiseho koa ny fiezahan’izy ireo hihoitra sy hifanampy.

Clarisse A. RATSIFANDRIHAMANANA dia isan’ireo mpanoratra malagasy manana ny anjara toerany eo amin’ny harentsain’i Madagasikara. Lova sy tadidy sarobidy ho an’ny taranaka fara-mandimby ny asasorany, satria sady tsangambato nampiroborobo ny fiteny sy ny haisoratra malagasy, no vavolombelon’ny vaninandro niainany. Loharanon’ny aingam-panahiny ny tanindrazana, ny fiarahamonina, ny fitiavana, ny zanaka, ny fivavahana ary ny zava-boary. Nasehony tamin’ny alalan’ny tononkalo, hainteny, tantara, sombintantara, tantara an-tsehatra sy ny maro hafa izany.

Misy amin’ny sanganasany no tafiditra ao anatin’ny fandaharam-pianarana toy ny « Lavakombarika » sy « Ny zanako ». Nodimandry ny taona 1987 ity mpanoratra malagasy ity.

Nanatrika ny lanonana famoahana tamin’ny fomba ôfisialy ny boky « IKALOMANGA » ary nanome voninahitra ireo taranaky ny mpanoratra nanatrika koa ny minisitry ny Serasera sy ny Kolontsaina 𝐀𝐍𝐃𝐑𝐈𝐀𝐌𝐀𝐍𝐀𝐍𝐎𝐑𝐎 𝐀𝐮𝐠𝐮𝐬𝐭𝐢𝐧. Nambarany fa harembakoka sy harentsaina ny sanganasan’i Clarisse A. Ratsifandrihamanana. Zava-dehibe ho an’ny firenena ny fananana ny haisoratra navoakany. Notsindriany koa ny maha zava-dehibe ny fitrandrahana sy fanabeazam-boho ny teny malagasy ho fanandrantana izany.

Ho tan-tsoroka ho an’ny fanontana boky eto Madagasikara sy ho an’ireo mpanoratra dia horaisin’ny minisitera an-tanana ny fividianana ny boky « IKALOMANGA » miisa 100 ary hapetraka tsy ho ela eo anivon’ny Tranombokim-pirenena Anosy ny efitrano mitondra ny anaran’i Clarisse A. RATSIFANDRIHAMANANA.