๐‘จ๐’๐’…๐’“๐’ ๐’Ž๐’‚๐’๐’†๐’“๐’‚๐’-๐’•๐’‚๐’๐’š ๐’‰๐’ ๐’‚๐’’๐’๐’š ๐’•๐’†๐’‚๐’•๐’“๐’‚

Tontosa io maraina io teny amin’ny Ivokolo Analakely, ny fanamarihana ofisialy ny ยซย Andro maneran-tany ho an’ny teatraย ยป, izay nankalazaina androany. Nanamarika ny hetsika tamin’ity taona ity, ny fisian’ireo teatra niangalian’ireo mpianatra avy amina sekoly efatra tafakatra amin’ny dingana famaranana, tamin’ny fifaninanana teatraly iraisan’ny sekoly, nokarakarain’ny minisiteran’ny Serasera sy ny Kolontsaina sy ny fikambanan’ny mpanao teatra malagasy.

Nisolo tena ny minisitry ny Serasera sy ny Kolontsaina androany ny Sekretera jeneralin’ny ministera Fetra RAKOTONDRASOAVA sy ny Talen’ny kabinetra Elysรฉ RANARIVELO.
Mahavelom-bolo ny fisian’ireo tanora maro liana amin’ny teatra, indrindra amin’izao vanim-potoana mampiroborobo fatratra ny aterineto sy ny tambazotran-tserasera izao. Nitovian’ny rehetra hevitra nandritra ity hetsika ity ny tokony hanohizana hatrany ny fifaninanana toy izao, hahafahana manome sehatra ireo talenta maro miafina any anatin’ireo sekoly samihafa sy hanomezan-danja ity haikanto ity.
Azo antoka ireo mpandimby an’ireo andrarezin’ny teatra malagasy fahiny sy ankehitriny aoriana kely ao, hoy ireo nifandimby nandray fitenenana.
Ho an’ny androany, dia nibata ny laharana voalohany ny ๐’๐š๐ค๐š๐ข๐ณ๐š๐ง’๐ง๐ฒ ๐“๐ž๐š๐ญ๐ซ๐š ๐Œ๐š๐ฅ๐š๐ ๐š๐ฌ๐ฒ avy ao amin’ny ๐ฟ๐‘–๐‘ ๐‘’๐‘Ž ๐ฝ๐‘’๐‘Ž๐‘› ๐ฝ๐‘œ๐‘ ๐‘’๐‘โ„Ž ๐‘…๐ด๐ต๐ธ๐ด๐‘…๐ผ๐‘‰๐ธ๐ฟ๐‘‚. Nahazo ny laharana faharoa, ny ๐…๐š๐ง๐ข๐ฅ๐จ๐ง’๐ง๐ฒ ๐“๐ž๐š๐ญ๐ซ๐š ๐Œ๐š๐ฅ๐š๐ ๐š๐ฌ๐ฒ avy ao amin’ny ๐ฟ๐‘–๐‘ ๐‘’๐‘Ž ๐‘€๐‘œ๐‘‘๐‘’๐‘Ÿ๐‘›๐‘’ ๐ด๐‘š๐‘๐‘’๐‘“๐‘–๐‘™๐‘œโ„Ž๐‘Ž, raha toa ka norombahan’ny ๐€๐ฆ๐จ๐ง๐ญ๐š๐ง๐š avy ao amin’ny ๐ถ๐‘–๐‘ ๐‘๐‘œ ๐ด๐‘›๐‘‘๐‘Ÿ๐‘Ž๐‘š๐‘Ž๐‘ ๐‘–๐‘›๐‘Ž ny laharana fahatelo.
Nahatratra 80 ireo tanora avy amin’ny faritra maro sy avy amin’ireo sekoly miankina sy tsy miankina amin’ny Fanjakana miisa 8, nandray anjara tamin’ity fifaninanana teatraly iraisan’ny sekoly ity. Niompana tamin’ny fahatsiarovana ny tolom-panafahana 29 marsa 1947, ny ady amin’ny kolikoly, ny ady amin’ny zava-mahadomelina ary ny fanabeazana ara-pananahana no lohahevitra nifaninanana.