FAMPIRANTIANA « MEMORIA » AO AMIN’NY FONDATION H

Nosokafana tamin’ny fomba ofisialy ny harivan’ny Alarobia 3 Avrily 2024 ny fampirantiana iraisam-pirenena « 𝐌𝐞𝐦𝐨𝐫𝐢𝐚 » tanterahina ao amin’ny ivotoerana kolotoraly Fondation H eny Analakely ny 4 Avrily hatramin’ny 28 Febroary 2025. Artista afrikana vehivavy miisa 22 ahitana vehivavy Malagasy 8 no handray anjara mandritra ity fampirantiana goavana izay efa nitety firenena maro taty Afrika.

Ny fampirantiana « Memoria » dia maneho tantara samihafa hita eny anivon’ny fiaraha-monina aseho amin’ny alalan’ny sary hosodoko, sary sikotra, sary tsotra, lamba, sarimihetsika.

Nanome voninahitra ny fanokafana ny hetsika ny minisitry ny Serasera sy ny Kolontsaina ANDRIAMANANORO Augustin. Nidera ny ezaka ataon’ny Fondation H amin’ny fanomezana sehatra ireo artista malagasy eto antoerana sy eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena sy ny fampiroboroboana ny kolontsaina malagasy amin’ny ankapobeny ny tenany nandritra ny lahateny fohy nataony. Ho azy dia manome hasina sy ny toerana mendrika ho an’ ny maha olona, ireo artista fa indrindra ny vehivavy ny Fondation H.

Hatramin’ny niorenany ny taona 2017, ny Fondation H dia niasa mafy ho amin’ny fampiroboroana sy fanomezana sehatra ireo artista malagasy sy manerana an’i Afrika. Mazava ny tanjony dia ny hahatonga ny kanto sy ny kolontsaina ho fitaovana entina mampandroso an’i Madagasikara. Fomba fijery izay mifanojo tanteraka amin’ny vinan’ny ministeran’ny Serasera sy ny Kolontsaina ankehitriny ho an’ny sehatry ny kolontsaina.

(𝑽𝒆𝒓𝒔𝒊𝒐𝒏 𝒇𝒓𝒂𝒏𝒄̧𝒂𝒊𝒔𝒆)

𝑳𝒂 𝑭𝒐𝒏𝒅𝒂𝒕𝒊𝒐𝒏 𝑯 𝒂𝒃𝒓𝒊𝒕𝒆 𝒍’𝒆𝒙𝒑𝒐𝒔𝒊𝒕𝒊𝒐𝒏 𝒊𝒏𝒕𝒆𝒓𝒏𝒂𝒕𝒊𝒐𝒏𝒂𝒍𝒆 « 𝑴𝒆𝒎𝒐𝒓𝒊𝒂 »

La Fondation H à Antananarivo abrite depuis le 03 avril 2024 jusqu’au 28 février 2025 l’exposition internationale « Memoria ». L’événement présente les œuvres de 22 artistes africaines, dont 8 Malgaches, en peinture, installation, sculpture, photographie, textile et vidéo.

Lors de la cérémonie de vernissage, le Ministre de la Communication et de la Culture, Augustin Andriamananoro, a souligné l’importance de cette exposition et de l’implantation de la Fondation H pour promouvoir la culture malgache et faire rayonner les savoir-faire des artistes malgaches à l’international. « Cette fondation a donné la place à l’humanité, aux artistes, et surtout à la femme », a-t-il indiqué.

La Fondation H, fondée en 2017, œuvre pour le développement artistique à Madagascar et en Afrique, en soulignant le rôle essentiel de l’art et de la culture dans le développement économique d’un pays. Son objectif est en parfait accord avec la vision du Ministère de la Communication et de la Culture pour le secteur de la culture.