๐—™๐—”๐—ฅ๐—œ๐—ง๐—” ๐—”๐—ง๐—ฆ๐—œ๐— ๐—ข ๐—”๐—ก๐——๐—ฅ๐—˜๐—™๐—”๐—ก๐—” – ๐—ง๐—ฒ๐˜๐—ถ๐—ธ๐—ฎ๐˜€๐—ฎ ๐—ฃ๐—ฅ๐—ข๐— ’๐—”๐—ฅ๐—ง

๐™‰๐™ค๐™›๐™–๐™ฃ๐™ž๐™ฃ๐™– ๐™ž๐™ง๐™š๐™ค ๐™ข๐™–๐™ฃ๐™™๐™ง๐™–๐™๐™–๐™ง๐™–๐™๐™– ๐™–๐™ข๐™ž๐™ฃ’๐™ฃ๐™ฎ ๐™จ๐™š๐™๐™–๐™ฉ๐™ง๐™ฎ ๐™ฃ๐™ฎ ๐™ ๐™–๐™ฃ๐™ฉ๐™ค.

Notanterahina nandritry ny 2 andro, ny faha 4 sy ny faha 5 ny volana Avrily teo ny fampiofanana amin’ny tontolon’ny fandraharahana amin’ny tontolon’ny kolontsaina tao amin’ny faritra Atsimo Andrefana, distrikan’i Toliara voalohany tamin’ny alalan’ny tetikasa ๐‘ท๐‘น๐‘ถ๐‘ด’๐‘จ๐‘น๐‘ป. Iarahana amin’ny Fitaleavana misahana ny kanto sy ny fampiroboroboana ny kanto na ny DAPA eo anivon’ny Ministera izany, fa eo ihany koa ny ๐‘ช๐’†๐’๐’•๐’“๐’† ๐’…’๐’Š๐’๐’„๐’–๐’ƒ๐’‚๐’•๐’Š๐’๐’.
Zava-dehibe ny tosika amin’ny alalan’ny fiofanana amin’ny sehatry ny fandraharahana omena ireo olona miaina sy mivelona amin’ny Kanto hahafahany mampivelatra sy mampiroborobo ny asany. Raisin’ny Ministeran’ny Kolontsaina sy ny Serasera ho andraikitra izany satria anjarany amin’ny maha minisitera mpiahy azy.
Natao ity tetikasa ity ho fampiofanana ireo mpisehatra amin’ny lafiny kolontsaina mahay mandraharaha sy matihanina, araka ny tokony ho izy, amin’izay lafiny kolontsaina izay. 40 ireo olona nisitraka ny fanofanana nandritry ny 2 andro ka handray ny taratasy mari-piatrehana fiofanana na ny ยซย ๐˜ข๐˜ต๐˜ต๐˜ฆ๐˜ด๐˜ต๐˜ข๐˜ต๐˜ช๐˜ฐ๐˜ฏ ๐˜ฅ๐˜ฆ ๐˜ง๐˜ฐ๐˜ณ๐˜ฎ๐˜ข๐˜ต๐˜ช๐˜ฐ๐˜ฏ ๐˜ฆ๐˜ฏ ๐˜ฆ๐˜ฏ๐˜ต๐˜ณ๐˜ฆ๐˜ฑ๐˜ณ๐˜ฆ๐˜ฏ๐˜ฆ๐˜ถ๐˜ณ๐˜ช๐˜ข๐˜ต ๐˜ค๐˜ถ๐˜ญ๐˜ต๐˜ถ๐˜ณ๐˜ฆ๐˜ญย ยป. Niofana mikasika ny fitantanam-bola, ny sehatry ny serasera sy varotra ary ny fampivoarana ny maha-olona izy ireo nandritra izany.

Mpampiofana amin’ny sehatry ny fandraharahana avy ao amin’ny Le CEENTRE na ny ๐ถ๐‘’๐‘›๐‘ก๐‘Ÿ๐‘’ ๐‘‘’๐‘’๐‘ฅ๐‘๐‘’๐‘™๐‘™๐‘’๐‘›๐‘๐‘’ ๐‘’๐‘› ๐ธ๐‘›๐‘ก๐‘Ÿ๐‘’๐‘๐‘Ÿ๐‘’๐‘›๐‘’๐‘ข๐‘Ÿ๐‘–๐‘Ž๐‘ก no miara-misalahy amin’ny Ministera amin’ity tetikasa ity izay iaraha-miombona antoka amin’ny fandaharanasa UNESCO-Aschberg.