PRINTSY RATSITANTANINA, FENO 202 TAONA ANDROANY NY NANAPAHANY NY LOHANY

Tanterahin’ny ministeran’ny serasera sy ny kolontsaina androany 15 avrily ny lanonana ofisialy fahatsiarovana ny nanapahan-doha an- dRatsitantanina sady fampahafantarana ny « 𝒕𝒆𝒕𝒊𝒌𝒂𝒔𝒂𝒏-𝒌𝒐𝒍𝒐𝒏𝒕𝒔𝒂𝒊𝒏𝒂 𝒎𝒂𝒓𝒐𝒍𝒂𝒇𝒚 𝑹𝒂𝒕𝒔𝒊𝒕𝒂𝒏𝒕𝒂𝒏𝒊𝒏𝒂 ». Niara-nisahala tamin’ny fikarakarana ity hetsika ity ny taranaky ny Printsy Ratsitantanina sy ny masoivohon’ny Nosy Maorisy eto amintsika.

Printsy malagasy, notapahin-doha tany Port Louis, Maorisy tamin’ny 15 avrily 1822 i Ratsitantanina. Misy lalana mitondra io anarany io ao Maorisy ( Ratsitatane) ary,  » miaramilan’ny fahafahana » no iantsoan’ny Maorisianina azy. Tsy dia fantatsika malagasy loatra anefa izy sady ankamantatra mihitsy ny tantarany ka rariny dia rariny raha ampahafantarina sy tsarovana toy izao.

Araka ny fantatra dia miaramila mpitari-tafika tamin’ny andron- dRadama voalohany izy io. Nametraka dian-tanana ao Maorisy izy, na amin’ny lafiny tantara na momba ny kolontsaina. Voalaza nandritra ny vela-kevitra tao fa tsy nety niteny ankoatra ny teny malagasy izy nandritra ny fotoana naha gadra politika azy tany Maorisy.

Vinavinan’ny minisitera ny hikaroka ireny olo-mangan’ny firenena navalon’ny tantara sy natelin’ny fanadinoana ireny ho fantatry ny tanora, ho fanilo mampita ny fitiavan- tanindrazana. Fanombohana ihany izao fahatsiaroavana an-dRatsitantanina izao fa mbola be no ho avy.

Tao amin’ny Havoria Anosy no nanaovana izany tamin’ity anio ity ka andiana vela-kevitra sy fampirantiana no nentina nanamarika izany. Ankoatra ny minisitry ny Serasera sy ny Kolontsaina Augustin ANDRIAMANANORO sy ny ambasadaoron’ny Maorisy monina sy miasa eto amintsika Françoise LABELLE izay nanome voninahitra ny taranaky ny Printsy Ratsitantanina sy ity lanonam-pahatsiarovana ity, dia manam-pahaizana sy mpikaroka maro no niresaka momba azy tamin’izao hetsika izao. Mari-pahatsiarovana sady fanomezam- boninahitra azy ireny no antony anaovana izany no sady fitaizana sy fanabeazana ny tanora hiorim-paka amin’ny maha malagasy azy.

Nanamarika ity fahatsiarovana ity koa ny nanoloran’ny masoivohon’ny Maorisy tamin’ny minisitra malagasy misahana ny kolontsaina, ny kopian’ny antontan-taratasy mirakitra ny raharaham-pitsarana an-dratsitantanina notanterahina tany antoerana 202 taona lasa izao.

Feno hipoka ny Havoria ary maro ny mpianatra tonga nanatrika ny vela- kevitra io maraina io ka mahavelom-bolo. Resy lahatra ny ministeran’ny Serasera sy ny Kolontsaina fa arofanina ho an’ny tanora amin’ny rivo- mitsoaka maneran-tany ny fahalalana ny tantara sy ny kolontsain’ny firenentsika.