TOKONTANY BE AO MAHAMASINA, RENIVOHITRY NY KOLONTSAINA SY NY FAMORONANA MANDRITRA NY TELO ANDRO

Tonga ny fotoana nifanomezana, manomboka androany ny « 𝑻𝒐𝒌𝒐𝒕𝒂𝒏𝒚 𝒃𝒆 ». Hetsika noforonin’ny Minisiteran’ny Serasera sy ny Kolontsaina izy io. Tanterahina ao amin’ny ny lapan’ny kolontsaina sy ny fanatanjahan-tena Mahamasina manomboka androany ary tsy hifarana raha tsy amin’ny sabotsy 20 avrily ho avy izao.

Ny hampiroborobo ireo orinasa misehatra amin’ny kolontsaina sy ny famoronana no tanjona amin’izany. Fampihaonana ireo mpisehatra amin’ny orinasan-kolontsaina ny hetsika toy izao sady fampahafantarana ny besinimaro fa mahavelona sady malalaka ho an’ny mandraharaha ny kolontsaina ka azo atao tsara ny misehatra amin’izany.

Ny maraina teo no natao ny lanonam-panokafana. Andriamatoa Fetra RAKOTONDRASOAVA sekretera jeneralin’ny ministeran’ny serasera sy ny kolontsaina no nitarika izany nitondra ny tenin’ny minisitra mpisolo toerana, RAFARAVAVITAFIKA Rasata. « Fiandohana sady fiafaran’ny fandrosoana » ny kolontsaina, hoy izy, nindrana ny tenin’i Léopold Sedar Senghor. Nambarany fa mifanaraka amin’ny politika ankapoben’ny fanjakana izao hetsika izao amin’ny alalan’ny fampiroboroboana ny toekarena.

Kolontsaina manova toekarena rahateo no tanjon’ny  » tokotany bé » satria fananganana orinasa sy famoronana asa miainga amin’ny kolontsaina no ampiroroboiny.

« Tsarovy fa manana minisitera mpiahy ianareo » hoy ny sekretera jeneralin’ny minisitera, raha miresaka tamin’ireo mpisehatra mandray anjara.

Amin’ny maha naman’ny mpisehatra amin’ny zava-kanto sy ny kolontsaina azy dia nanotrona ny fanokafana ny « Tokotany be » ny minisitra teo aloha Andriamatoa Augustin ANDRIAMANANORO.

Ho renivohitra sady foiben’ny kolontsaina sy ny asa famorona ny lapan’ny kolontsaina Mahamasina mandritra ny telo andro. Koa manasa ny rehetra hitsidika.

Seho kanto sy vela-kevitra ary fampianarana maro no hameno ireo telo andro ireo, ankoatran’ny fampirantiana eny amin’ny tranoheva maro.

Ataon’ny minisitera maimaim-poana ho an’ny mandray anjara sy ho an’ny mpitsidika izao hetsika lehibe izao.