𝑨𝒏𝒅𝒓𝒐 π’Žπ’‚π’π’†π’“π’‚π’-π’•π’‚π’π’š 𝒉𝒐 𝒂𝒏’π’π’š π’…π’Šπ’‰π’š π’π’š 29 π’‚π’‘π’“π’Šπ’π’š.

Nanao valan-dresaka ho an’ny mpanao gazety momba ny andro maneran-tany ho an’ny dihy ny ministeran’ny Serasera sy ny Kolontsaina miaraka tamin’ireo fikambanan’ny mpandihy Malagasy anio.

Hankalazana amin’ny 4 sy 5 may ho avy izao ity andro maneran-tany ho an’ny dihy ity. Hetsika sy seho maro no hatao mandritra io roa andro io izay hahitana ny karazana dihy rehetra.
Β« π‘€π‘Žπ‘›π‘‘π‘–β„Žπ‘¦ π‘šπ‘–π‘ π‘¦ π‘‘π‘Žπ‘›π‘—π‘œπ‘›π‘Ž π‘Žπ‘šπ‘–π‘›β€™π‘›π‘¦ π‘“π‘Žπ‘›π‘Žπ‘›π‘‘π‘Ÿπ‘Žπ‘‘π‘Žπ‘›π‘Ž 𝑛𝑦 π‘šπ‘Žβ„Žπ‘Ž π‘šπ‘Žπ‘™π‘Žπ‘”π‘Žπ‘ π‘¦ Β», izany no voizin’ireo mpandihy ireo mandritra ny fankalazana izay hiainga ao amin’ny kianjan’ny hira gasy amin’ny 4 may ho avy izao. Ny tolakandro kosa ny fanokafana amin’ny fomba ofisialy, hotanterahina ao amin’ny Havoria Anosy.

Mbola hitohy ao amin’ny Ivokolo Analakely ny hetsika fankalazana ny alahady 5 may. Manodidina ny 40 eo ho eo ny isan’ireo mpandihy hanafana ny sehatra amin’ireo toerana telo voalaza ireo mandritra ny roa andro.