𝟬𝟯 π— π—˜π—¬ : 𝗔𝗑𝗗π—₯𝗒 π— π—”π—‘π—˜π—₯𝗔𝗑-𝗧𝗔𝗑𝗬 𝗛𝗒 𝗔𝗑´𝗑𝗬 π—™π—”π—›π—”π—Ÿπ—”π—Ÿπ—”π—›π—”π—‘’𝗑𝗬 𝗔𝗦𝗔 𝗙𝗔𝗑𝗔𝗒𝗩𝗔𝗑-π—šπ—”π—­π—˜π—§π—¬ (Tohiny)

Fintina an-tsary ny lanonana fizarana medaly nandritra ny lalao ara-panatanjahantena Β Β» Iray eny an-kianjaΒ Β» nokarakarain’ny Holafitry ny Mpanao gazety eto Madagasikara OJM omaly teny amin’ny kianja BAREA Mahamasina.

Nanome voninahitra izany ny minisitry ny Serasera sy ny Kolontsaina mpisolo toerana RASATA Rafaravavitafika.

Miarahaba manokana ny ekipan’ny Ofisim-pirenen’ny Radio sy Televiziona Malagasy ORTM nandrombaka ny amboara teo amin’ny taranja basketball mixte ary ny RVS teo amin’ny taranja baolina kitra.