NY PRINTSY MALGOIRE BERTHIN KAMAMY, TONTOSA NY 17 MAY NY FANITRIHANA AZY

Notontosaina ny Zoma 17 mey tany Ambiky, distrikan’i Belo/Tsiribihina ny fanitrihana ny vata-mangatsiakan’ny 𝐏𝐫𝐢𝐧𝐭𝐬𝐲 𝐌𝐚𝐠𝐥𝐨𝐢𝐫𝐞 𝐁𝐞𝐫𝐭𝐡𝐢𝐧 𝐊𝐀𝐌𝐀𝐌𝐘, mpanjakan’ny Sakalava Menabe. Marihina moa fa folaky tao Morondava ity Raiamandreny ity tamin’ny 07 may lasa teo.

Tonga naneho fiaraha-miory sady niombona alahelo tamin’ny vahoaka Sakalava tany an-toerana namita ny iraka avy amin’ny fitondram- panjakana sy ny vahoaka malagasy tsivakivolo ny Tale Jeneralin’ny Kolontsaina 𝑅𝐴𝑍𝐴𝐹𝐼𝐴𝑅𝐼𝑆𝑂𝑁 𝐹𝑟𝑎𝑛𝑐𝑖𝑠, notronin’ireo mpiara-miasa eo anivon’ny fitaleavam-paritry ny Serasera sy ny Kolontsaina ao Menabe ho fanehoan’ny fitondram-panjakana ny firaisankina amin’ny vahoaka Sakalava amin’ny ankapobeny, sy amin’ny fianakaviana KAMAMY manokana.

Notolorana ny mari-boninahitra « Grand Officier de l’Ordre National » ity oloben’ny firahamonina Sakalava ity mialohan’ny nanaterana azy tany Ambiky izay toerana misy ny fasan-drazany hiandrasany ny Tsiritsy amin’ny taona ho avy. Araky ny fomba mantsy dia afaka herin-taona rehefa maina ny razana, vao asitrika ao anaty fasan-drazana ny taolambalo.