๐‘จ๐’•๐’“๐’Š๐’Œ๐’‚๐’”๐’‚ ๐’Ž๐’๐’Ž๐’ƒ๐’‚ ๐’๐’š ยซย ๐‘ญ๐’†๐’๐’Š-๐’‘๐’‚๐’๐’๐’“๐’‚๐’•๐’‚๐’๐’‚ ๐’๐’š ๐’•๐’†๐’๐’š ๐’Ž๐’‚๐’๐’‚๐’ˆ๐’‚๐’”๐’šย ยป ๐’‚๐’๐’…๐’Š๐’‚๐’๐’š ๐’‡๐’‚๐’‰๐’‚๐’“๐’๐’‚.

Asa andavanandron’ny Fitaleavana misahana ny Fampiroboroboana ny Teny Malagasy eto anivon’ny Minisiteran’ny Serasera sy ny Kolontsaina ny fikarakarana fanofanana miompana amin’ny fampanarahana fenitra ny teny malagasy.

Tontosa ny zoma 24 mey 2024 tao amin’ny efitrano Dox, Tranombokim-pirenena Anosy, araka izany ny andiany faharoa tamin’ny Atrikasa momba izany feni-panoratana ny teny malagasy izany.
84 ny mpandray anjara nisitraka izany , izay nahitana mpanoratra, mpikabary, mpiangaly tantara ana onjampeo, mpianatra, mpikaroka…
Ny ๐‘๐‘Ÿ๐‘œ๐‘“๐‘’๐‘ ๐‘œ๐‘Ÿ๐‘Ž ๐‘…๐‘Ž๐‘›๐‘Ž๐‘–๐‘ฃ๐‘œ๐‘ ๐‘œ๐‘› ๐ฝ๐‘’๐‘Ž๐‘›๐‘›๐‘œ๐‘ก ๐น๐‘–๐‘™๐‘ , mpampianatra mpikaroka eny amin’ny Oniversiten’Antananarivo no nampiofana nandritra izany.
Tanjon’ny minisitera ny hanampiana ny mpisehatra amin’ny fikirakirana ny teny malagasy mba hahafehy ny fanoratana amin’ny famoaham-boky sy amin’ny sehatra misy azy avy.

Mampitombo ny fanantenana amin’ny maha teny velona sy miaina ny teny malagasy izao hamaron’ny olona liana amin’ny fandalinana sy fifehezana ny teny malagasy izao, hoy ny profesora Ranaivoson Jeannot Fils.