π‘°π’“π’‚π’š π’—π’π’π’‚π’β€™π’π’š π’•π’†π’π’š π‘΄π’‚π’π’‚π’ˆπ’‚π’”π’š – 𝑱𝑢𝑡𝑨 2024

Notanterahina androany teny amin’ny IVOKOLO Analakely ny lanonana fanokafana amin’ny fomba ofisialy ny π‘°π’“π’‚π’š 𝒗𝒐𝒍𝒂𝒏’π’π’š π’•π’†π’π’š π’Žπ’‚π’π’‚π’ˆπ’‚π’”π’š, notarihin’ny minisitry ny Serasera sy ny Kolontsaina, mpisolo toerana, π‘πšπ¬πšπ­πš π‘πšπŸπšπ«πšπ―πšπ―π’π­πšπŸπ’π€πš.

Hanamarika ny volana Jona arak’izany ireo hetsika samihafa karakarain’ny ministera eto andrenivohitra sy manerana ny faritra. Isan’ireo ny π…πˆπ…π€ππˆππ€ππ€πŒ-ππˆπ‘π„ππ„ππ€ π‡πŽ 𝐀𝐍’𝐍𝐘 π‹πˆπ“π„π‘π€π“πˆπŽπ‘π€ πŸπŸŽπŸπŸ’ izay ahitana sokajy telo: π΄π‘šπ‘π‘œπ‘Žπ‘Ÿπ‘Žπ‘›-π‘‘π‘œπ‘›π‘œπ‘›π‘˜π‘Žπ‘™π‘œ, π‘‡π‘Žπ‘›π‘‘π‘Žπ‘Ÿπ‘Ž π‘“π‘œπ‘Ÿπ‘œπ‘›π‘–π‘›π‘Ž, π‘‡π‘Žπ‘›π‘‘π‘Žπ‘Ÿπ‘Ž π‘Žπ‘›π‘Ž π‘œπ‘›π‘—π‘Žπ‘šπ‘π‘’π‘œ. Misokatra ho an’ny rehetra manomboka ny 1 jona 2024 ary tsy hifarana raha tsy ny 1 janoary 2025. Ho hita eto amin’ny pejy MSK sy amin’ny Foibem-paritry ny Serasera sy ny Kolontsaina ary ao amin’ny Tranombokim-pirenena Anosy sy eran’ny Masoivohon’i Madagasikara any ivelany ny andinindinin’ny fitsipika mifehy izany fifaninanana izany.
Ankoatra izay, hisy ny fandaharana vaovao antsoina hoe πŒπˆππˆπ“π‘π€π’𝐍𝐘 π“π„ππ˜ πŒπ€π‹π€π†π€π’π˜ handeha ao anatin’ny fampahalalam-baovaon’ny 𝑇𝑉𝑀 sy 𝑅𝑁𝑀 mandritra ny volana jona. Hisy koa ny fanitsiana diso sy fampianarana fitenim-paritra isanandro ao amin’ny pejy fesibokin’ny Minisiteran’ny Serasera sy ny Kolontsaina.
Nanentana ny rehetra hanandratra hatrany ny tenim-pirenena malagasy ny minisitra Rasata Rafaravavitafika. Amin’ny maha minisitry ny Raharaham-bahiny azy koa dia nilaza ny tenany fa isan’ireo asa ataony ny hampiditra ny teny Malagasy ho isan’ireo fiteny ofisialy an’ny Vaomieran’ny Ranomasimbe Indiana (COI).

Nanamarika ny fotoana androany ny fizarana fanamarinam-piofanana ho an’ny mpisehatra 101 mianadahy nisitraka ny Atrikasa momba ny feni-panoratana ny teny malagasy, andiany faharoa, nokarakarain’ny Minisitera, tamin’ny alalan’ny Fitaleavana misahana ny Fampiroboroboana ny teny malagasy ny zoma 24 mey 2024 teo.