π‘°π’“π’‚π’š 𝒗𝒐𝒍𝒂𝒏’π’π’š π’•π’†π’π’š π’Žπ’‚π’π’‚π’ˆπ’‚π’”π’š.

Fifaninanana soratononina ho an’ireo mpiasan’ny raharaham-bahiny.

Nandray anjara tamin’ny fankalazana ny iray volana anandratana ny teny malagasy ny ministeran’ny Raharaham-bahiny, ka nandray fifaninanana tamin’ny soratononina nampanaovin’ny fitaleavana misahana ny fampiroboroboana ny teny malagasy eto anivon’ny Minisiteran’ny Serasera sy ny Kolontsaina ny alatsinainy 24 jona lasa teo.

36 ny isan’ny mpandray anjara ary anisan’ireo nandray anjara tamin’ity fifaninanana ity ny minisitry ny Raharaham-bahiny sady minisitry ny Serasera sy ny Kolontsaina mpisolo toerana, Rasata Rafaravavitafika.
Ny diampenin’i Emilson Daniel Andriamalala tao amin’ny boky mitondra ny lohateny « ny fanagasianaΒ Β» no nakana ny lahatsoratra.