FAMPIRANTIANA MIHELINA MANEHO NY TANTARAN-DRANAVALONA III ENY AMIN’ NY ROVAN’ I MADAGASIKARA

Tontosa ny zoma 5 Jolay 2024, te­ny amin’ny Rovan’i Ma­da­gasikara, ny fanokafana tamin’ny fomba ofisialy ny fampirantiana mihelina (exposition temporaire) miompana amin’ny tantaran’ny mpanjaka Ranava­lona III. Nanatrika izany ny minisitry ny Serasera sy ny kolontsaina mpisolo toerana, Rasata Rafaravavitafika.

Notsongaina tao amin’ny tahirin’ny Rovan’i Madagasikara ireo entana ireo miampy ireo tahiry samihafa avy amin’ny Fonds Yavarhoussen, izay miara-miasa akaiky amin’ny Rovan’i Madagasikara.

Ity fampirantiana ity koa dia maneho ireo sary hosodoko miisa 20 nataon’ireo mpanao hosodoko teo anivon’ny sekolin’ny Beaux-arts nosokafana tao androva taorian’ny fahatongavan’ireo mpanjana-tany frantsay teto Madagasikara. Voalohany izao no aranty sy aseho vahoaka tahak’izao ireo sary hosodoko ireo.

Misokatra ho an’ny besinimaro ity fampirantiana haharitra herintaona ity.