RENCONTRES DU FILM COURT ANDIANY FAHA 19: MANAMAFY NY FANOHANANY NY SARIMIHETSIKA MALAGASY NY MINISTERA

Nanome voninahitra ny lanonam-panokafana tamin’ny fomba ofisialy ny Madagascourt Film Festival andiany faha-19 natao ny harivan’ny zoma 5 Jolay lasa teo ny minisitry ny Serasera sy ny Kolontsaina mpisolo toerana Rafaravavitafika Rasata.

Eo ambany fiahian’ny ministeran’ny Serasera sy ny Kolontsaina ity hetsika manome sehatra ny fanatontosana sarimihetsika fohy ity. Hetsika izay efa manana ny lanjany ary tsy azo ihodivirana aty amin’ny faritra ny ranomasimbe indiana sy manerana an’i Afrika.

Araka izany, ny 5 hatramin’ny 12 jolay dia horonantsary fohy miisa 25 no halefa sy hifaninana hiady ireo amboara samihafa ao amin’ny ivotoerana Institut Français Analakely. Maherin’ny 50 kosa ireo mpanao sarimihetsika vahiny nasaina hanafana ireo atrikasa manodidina ny asa famokarana sarimihetsika. Zava-baovao hodinihin’ireo mpandray anjara rehetra koa amin’ity andiany ity ny momba ny Intelligence Artificielle (IA) mifandraika amin’ny sarimihetsika.