Β«Β β€Œ26 𝑱𝒐𝒏𝒂 1960-26 𝒋𝒐𝒏𝒂 2024Β Β» 𝑭𝑨𝑴𝑷𝑰𝑹𝑨𝑡𝑻𝑰𝑨𝑡𝑨

Ranty tahirin-tsary maromaro sy horonan-tsary maneho ny zava- nisy tamin’ny niverenan’ny fahaleovantenan’i Madagasikara sy ny nitsangananan’ny Foloalindahy Malagasy no ampahafantarina ao amin’ny 𝐌𝐨𝐳𝐞𝐚 π“π‘π€ππŽ π’π€π‘π˜ Ambohidahy nanomboka ny 25 Jona 2024.

Tomefy olona ny TRANO SARY nandritra ireo andro voalohany nisokafan’izany fampirantiana izany, an’arivony sahady ireo tonga nitsidika.

Hetsika nataon’ny Tranombokim-pirenena eto Madagasikara ho fampahafantarana ny tantara amin’ny taranaka ankehitriny.

Maharitra 1 volana ny fampirantiana ary maimaim-poana ny fitsidihana.