Andro iraisam-pirenena ho an’ny filatsahana an-tsitrapo

Tsy diso anjara tamin’ny fanamarihana ny andro iraisam-pirenena ho an’ny filatsahana an-tsitrapo ny renivohitry ny faritra Alaotra Mangoro, androany talata 05 desambra 2023. Fanatsarana ny VATON-DRAZAKA eo amin’ny La Place no natao tamin’izany ka namboarina ny tafo ary nisy ny fandokoana sy fanadiovana ity toerana manan-tantara eto Ambatondrazaka ity. Nodiovina ihany koa ny manodidina ny tranobe MASINJARA.

Nandray anjara mavitrika ireo fikambanana mpilatsaka an-tsitrapo, ireo skoto, fikambanana mpanao asa soa sy ny serivisim-panjakana ary ny olom-pirenena. Nikarakara izao hetsika izao ny Fitaleavam-paritry ny Serasera sy ny Kolontsaina izay nitarika ny asa niaraka tamin’ny Ben’ny tanàna sy ny avy ao amin’ny fiadidiana ny faritra.