FAMPATSIAHIVANA AVY AMIN’NY MINISTERAN’NY SERASERA SY NY KOLONTSAINA

Manoloana ny firongatry ny fisolokiana sy ny fanaparitahana vaovao tsy marina amin’ny alàlan’ny kaonty sandoka ao anaty tambanjotran-tserasera sosialy, ny Minisiteran’ny Serasera sy ny Kolontsaina, amin’ny alàlan’ny « 𝐂𝐞𝐥𝐥𝐮𝐥𝐞 𝐝𝐞 𝐥𝐮𝐭𝐭𝐞 𝐜𝐨𝐧𝐭𝐫𝐞 𝐥𝐚 𝐜𝐲𝐛𝐞𝐫𝐜𝐫𝐢𝐦𝐢𝐧𝐚𝐥𝐢𝐭é »

na 𝘾𝙇𝘾𝘾 dia mampatsiahy hatrany fa voararan’ny lalàna ny fanaovana izany.

Araky ny Didim-panjakana laharana faha 21958/2019 tamin’ny 2 Oktobra 2019 izay nanorenana azy, ny 𝘾𝙇𝘾𝘾 dia vondrona iray miandraikitra ny ady amin’ny herisetra an-tambajotra, na amin’ny fisorohana na amin’ny fanenjehana miaraka amin’ireo vondrona hafa mitovy aminy.

☎️ 𝘾𝙇𝘾𝘾: 033 64 951 47