MANAMAFY NY FANOHANANY NY KOLONTSAINA MALAGASY I FRANTSA

Nandray ny masoivoho frantsay miasa sy monina eto Madagasikara ?????? ???????? ny alatsinainy 26 febroary 2024 ny minisitry ny Serasera sy ny Kolontsaina ?????????????? ????????. Isan’ny lahadiniky ny roa tonta ny fampodiana eto Madagasikara ny « ???????ℎ? ?? ?? ???????’?? ???????? ???????? ????? ».

Hotanterahina ny volana martsa izao ny fivoriana voalohany iarahan’ny teknisiana sy manam-pahaizana malagasy amin’ireo teknisiana sy manam-pahaizana frantsay, handaminana ny fampodiana izany eto amintsika amin’ity taona ity.

I Frantsa izay vao avy nampandany ny 18 desambra 2023 ny lalàna vaovao mamaritra ny rafitra ankapobeny manamora ny famerenena amin’ireo firenena izay nanao fangatahana, ireo taolambalo samihafa, toy ny kabeson’ny Mpanjaka Sakalava Toera, tazomin’ireo mozea frantsay.

Niresaka momba ny fanatanterahana ny fiarahamiasa ara-kolontsaina (projet d’accord bilatéral sur la culture) eo amin’i Madagasikara sy Frantsa, izay tsy maintsy ho vitaina ao anatin’ny fotoana fohy koa izy ireo nandritra ity fihaonana ity.

Nanamafy ny masoivoho frantsay fa vonona tanteraka hanohana an’i Madagasikara eo amin’ny fampiroboroboana ny kolontsaina malagasy ny governemanta frantsay.

Fanohanana izay hiseho amin’ny endrika maro toy ny fandefasana manam-pahaizana frantsay momba ny fitantanana arsiva sy mozea hizara traikefa, fanatsarana ireo toerana manan-tantara ary ny fikarakarana hetsika manome lanja ireo artista Malagasy.