VOLANA IRAY, MPANORATRA IRAY VOLANA IRAY, SOATOAVINA IRAY

Ao anatin’ny fampiroboroboana sy fanapariahana ny kolontsaina sy ny soatoavina malagasy, ny Minisiteran’ny Serasera sy ny Kolontsaina dia nametraka fandaharanasa roa lehibe : « VOLANA IRAY, MPANORATRA IRAY » sy « VOLANA IRAY, SOATOAVINA IRAY ».

Mandritra ny iray volana dia misy ny fampahafantarana fohy ny mpanoratra mandeha amin’ny TVM sy ny RNM. Misy ihany koa ny velakevitra arahina adihevitra hiarahana amin’ny mpanoratra na ireo izay akaiky azy na ireo izay nanao fandalinana mahakasika ny asa sorany.

Ny hetsika rehetra tanterahina dia manerana ny nosy ary ny fitaleavam-paritry ny Serasera sy ny Kolontsaina rehetra no mananteraka izany.

Asaina ihany koa araka izany ireo ivon-toerana ara-kolontsaina rehetra manerana ny nosy, araka ny fandaharam-potoanany, mba hanomana hetsika ho fampahafantarana ny mpanoratra hasongadina amin’ny volana ireny.

Tiana ny mampahatsiahy fa ny volana Marsa dia nentina nanomezan-danja ny mpanoratra André Raokotondranaivo (Aéra) ary ny Avrily kosa dia hatokana ho an’ny mpanoratra EZRA S.

Amin’ity volana ity dia hisy ny fihaonana sy fampahafantarana an’i EZRA S., mpanoratra avy ao Toamasina ary namorina ny hatao hoe Tokandriana (fitambaran’ny Tokatoka sy  riankalo) izay ho tanterahina any Toamasina mandritra ny Andro manerantany ho an’ny boky sy ny zon’ny mpamorona.

« VOLANA IRAY, SOATOAVINA IRAY » kosa dia ampahafantarana ny lanjan’ny soatoavina malagasy mandritra ny volana iray. Matetika mantsy dia zary very sy tsy tadidin’ny taranaka ireo harentsaina sarobidy nolalaina hatrizay.

Izany indrindra no nanosika ny MSK hamerina indray ny fanapariahana sy fanomezan-danja izany soatoavina malagasy izany.

Natao indrindra hikoloana ny saina sy hamelomana ny hambom-po maha malagasy izany ary hanoroana fa ny soatoavina no mifehy sy mandrindra ny fiarahamonina.

Famokarana tahirin-kevitra an-tsary, am-peo, an-tsoratra amin’ny TVM, sy RNM ary amin’ny tranonkalan’ny MSK no fomba hanaparihana izany.

 Tahirin-kevitra vokatry ny fikarohana mahakasika lohahevitra iray maneho ny maha malagasy no avoitra amin’izany ary mahasahana ny faritra samihafa manerana an’i Madagasikara.

Marihina fa « Ny soatoavina hita taratra tao amin’ny tolom-panafahana 29 Marsa » no nampitaina ny volana Marsa ka nanasongadinana ny harentsaina nentin’ireo tia tanindrazana nikatsaka ny fahafahana.

Amin’ity volana Avrily ity kosa dia « Vary : Aina sy Kolontsaina » no lohahevitra voizina ka anehoana fa mikolo ny vatana, ny saina ary ny fanahy ny vary.

Ahafahana mamantatra ny fomba fiaina sy ny fisokafana eo amin’ny fiarahamonina ihany koa izany.

                                                               Antananarivo, faha-19 Aprily 2021

                                                             Ny Talen’ny Fifandraisana amin’ny Daholobe

                Nampoina RANARIVELO