FANOLORANA MARI-BONINAHI-PIRENENA HO AN’IREO MPIASAN’NY HAINO AMANJERY

Mpiasan’ny haino amanjery miisa 44 mianadahy nosalorana mari-boninahi-pirenena.

« Andro lehibe tokoa ny andro androany satria andro nentin’ny fitondram-panjakana mankasitraka ireo teknisiana sy mpanentana fandaharana noho ny asa vitan’izy ireo teo amin’ny sehatra nisy azy ireo dia ny asa “maha-teknisiana” amin’ny radio na fahitalavitra izany, na koa ny asa “maha mpanentana fandaharana” amin’ny haino aman-jery.

Voaporofon’izy ireo ary tsapan’ny fitondram-panjakana fa be no vitan’izy ireo ka izay indrindra no anton’izao lanonana nanomezana mari-boninahitra izao » io no teny nentin-dRamatoa Minisitry ny Serasera sy ny Kolontsaina, Lalatiana Rakotondrazafy ANDRIATONGARIVO, niarahabana ireo mpiasan’ny haino amanjery izay nosalorana mari-boninahim-pirenena androany maraina teo amin’ny tokontany malalaky ny Tranombokim-pirenena Anosy.

Misy tamin’izy ireo no efa nanao ny asa nandritry ny 40 taona tsy niato, misy ny manodidina ny 20 taona niasana ary ny zandriny indrindra dia niasa nandritry ny 12 taona tao anatin’ny haino amanjery.

Iray no nosalorana ny mari-boninahitra « Officier de l’Ordre National Malagasy», 36 mianadahy nahazo ny mari-boninahitra « Chevalier de l’Ordre National Malagasy» ary 7 mianadahy notolorana mari-boninahitra « Chevalier de l’ordre de mérite de Madagascar».

Nambaran-dRamatoa Minisitry ny Serasera sy ny Kolontsaina, Lalatiana Rakotondrazafy Andriatongarivo, nandritra ny kabary nataony tamin’izao lanonana izao fa tanjaky ny haino aman-jery ny fananana mpanentana sy teknisianina matihanina sy mahafehy araka ny tokony ho izy ny asany ankehitriny.

Antony nametrahan’ ny Minisiteran’ny Serasera sy ny Kolontsaina fandaharan’asa fampiofanana mitohy ho matihanina ho an’ny teknisiana sy mpanentana fandaharana amin’ny haino aman-jery izay vao nanomboka herinandro lasa izay ny andiany voalohany na « première promotion » avy any amin’ny faritra samihafa manerana an’i Madagasikara.