« VONIN-TENONA »

Antsa tononkalo namelomana an-tsehatra ny asa soratr’ireo poeta andrarezina, tao amin’ny Tranombokim-pirenena.

Rado, Solofo José, Jean Narivony, Lydiary, Om-Guy, Dox, Rabearivelo, Clarisse Ratsifandriamanana…

Ny asa soratr’ireo andrarezin’ny literatiora malagasy ireo no novetsoin’ireo mpikambana ao amin’ny Mpizaka STeLaRiM tao amin’ny Tranombokim-pirenena androany.

Notetezin’ny Mpizaka STeLaRiM ireo tononkalo miavaka noravahan’izy ireo hira sy haingon-tsehatra malagasy.