SEMAINE DE L’ EDUCATION AUX MEDIAS ET A L’INFORMATION (SEMI 2022): 3/4/5 NOVEMBRE 2022

Nisokatra androany 03 novambra 2022 tetsy amin’ny Kianja Barea Mahamasina ny hetsika «Semaine de l’Education aux Medias et à l’information» na SEMI.

Mandritra izany hetsika izany, izay haharitra hatramin’ny sabotsy 05 novambra 2022, no hiaraha-midinika amin’ireo mpisehatra amin’ny tontolon’ny serasera ny fomba entina miatrika ny fiparitahan’ny vaovao diso na ny fanelezana vaovao niniana nodisoina, sy hifampizarana amin’ny mpandray anjara ireo tekinika fanamarinam-baovao sy ireo toe-tsaina tokony hananan’ny olom-pirenena tsotra eo anolonan’ny fitobaky ny vaovao.

Nanokatra ireo famelabelarana narahina ady hevitra tamin’ity andro voalohany ity, ny Minisitry ny serasera sy kolontsaina, Lalatiana Rakotondrazafy Andriatongarivo izay nanoritsoritra ny maha “ambana ho an’ny fahalalahana miteny sy ny demokrasia” ny fanelezana vaovao tsy marina.

Teo koa ny fandraisan’anjaran’ny Profesora Divina Frau-Meigs, izay niresaka momba ireo endrika hisehoan’ny fanelezana vaovao tsy marina, ny fiatraikan’izany eo amin’ny fiaraha-monina ary ireo endrika vaha-olana izay azo ampiharina.

Ny tolakandro kosa dia nifantohan’ny fifanakalozan-kevitra ny fomba entin’ny mpanao gazety sy ny orinasa fanaovan-gazety miatrika ny fivoaran’ny teknolojia fa indrindra ny tambazotra sosialy.

Teo koa ny anjara andraikitry ny tanora amin’ny ady atao amin’ny fiparitahan’ny vaovao tsy marina.

Ny andro faharoa dia handinihana manokana ny « zo hahalala sy hahafantatra ireo toro-hay ho antoka hiadiana amin’ny fanelezana vaovao diso” sy ny fomba entina mitantana ny “Cyberespace”.

Ny sabotsy 05 novambra 2022 no hamoahana fehin’ireo hevitra misongadina mandritra ity fikaonan-doha ity.

Ankoatra ny fikaonan-doha, dia ambohim-pihaonan’ny mpisehatra amin’ny lafiny serasera mihitsy ihany koa ny etsy amin’ny kianja Barea.

Mampiraty sy maneho ny asa ataony sy ny tolotra omeny manodidina ny fanabeazana ny olom-pirenena hahay hanjifa ny vaovao voarainy ao avokoa ireo orinasa fanaovan-gazety sy haino aman-jery, ireo sekoly manofana amin’ny lafiny serasera sy ny asa fanaovan-gazety, ireo «Agence de communication et publicitaire» ary ireo fikambanana ivondronan’ny mpisehatra amin’ny serasera.