JAPON: HANOHANA ARA-PITAOVANA NY FAHITALAVI-PIRENENA TVM

Nanao fitsidihana ara-pomba fifanajana ny minisitry ny Serasera sy ny Kolontsaina ?????????????? ???????? ny Alatsinainy 11 Marsa hariva ny masoivohon’i Japon monina sy miasa eto amintsika ??? ???? rehefa avy nanome voninahitra ny fankalazana ny taom-baovao malagasy teny amin’ny Rovan’i Madagasikara. Niara-dia taminy ny Mpisolo tena maharitry ny JICA eto Madagasikara ramatoa ?????? ?????.

Niompana tamin’ny fanamafisana ny fiaraha-miasa eo amin’ny firenena roa tonta momba ny serasera sy ny kolontsaina ny dinika. Nambaran’ny masoivoho japoney fa hitondra tan-tsoroka ho an’ny lafiny serasera ny governemanta japoney ka hisitraka izany ny fahitalavi-pirenena TVM amin’ny alalan’ny fanampiana ara-pitaovana goavana ho tonga amin’ity taona ity. Hisy koa ireo teknisiana japoney ho avy hanofana ireo matihanina malagasy momba ny fikirakirana ireo fitaovan-tserasera vaovao ireo eo anivon’ny TVM.

Ho an’ny lafiny kolontsaina, naneho ny fahavononany hanampy ny ministera eo amin’ny fanofanana sy fitrandrahana ireo talenta any amin’ny faritra sy hampita ny fitiavana hanao asa an-tsitrapo (volontariat) amin’ireo tanora malagasy ny governemanta japoney, amin’ny alalan’ireo mpilatsaka an-tsitrapo japoney tonga eto amintsika ary miasa any amin’ireo faritra samihafa manerana ny Nosy.

Iray amin’ireo endrika isehoan’ny fifandraisana matotra misy eo amin’i Madagasikara sy Japon ny fisian’ireo mpilatsaka antsitrapo izay efa maherin’ny 250 tao anatin’ny 20 taona.