VAROTRA FAMPIRANTIANA SARY HOSODOKO

Hatomboka rahampitso Alarobia 01 Martsa ary tsy hifarana raha tsy ny faha 17 Aprily 2023, ity hetsika varotra fampirantiana sary hosodoko ity, izay asan-tanan’i Vict’Art.


VICT’ART moa dia tanora herotrerony miangaly ny sary hosodoko, hoentina hanomezan-danja ny vehivavy sy ny tontolony ary ny fomba amam-panahiny no anton’ ity varotra fampirantiana ity.


Ao amin’ny Ivokolo Analakely, galerie d’Art RR.Raparivo izany koa manasa antsika hitsidika ny fampiratiana fa tsy misy vidim-pidirana ary misokatra amin’ny 09ora maraina ka hatramin’ny 04 ora hariva ny varavarana.

#sary_hosodoko
#ivokolo_analakely
#ofnac
#Minisiteran_ny_Serasera_sy_ny_Kolontsaina