MMF501 na MIHAMY MADA FASHION ANDIANY FAHA-4 :

OMENA VAHANA NY TANORA MPAMORONA SY MPANDRAHARAHA EO AMIN’NY SEHATRY NY HAIHAINGO AVY ANY TOAMASINA

Tanteraka ny fanamby lehibe napetraky ny Minisiteran’ny Serasera sy ny Kolontsaina, dia ny fampanatonana sy fanapariahana ny hetsika MMF any amin’ny faritra ka i Toamasina no isantarana izany mandritra ny hateloana (13-14-15 Aprily).

Natomboka tamin’ny fomba ofisialy androany izany ka mpandray anjara miisa 38 no manao varotra fampirantiana sy mampilatro mandritra ny 03 andro.

Ny 26 amin’izy ireo dia avy amin’ny Faritanin’i Toamasina avokoa.

Ankoatra ny varotra fampirantiana ny vokatr’ireo mpandray anjara dia misy koa ny « master class » ampianarana ny fomba fandraharahana eo amin’ny sehatry ny haihaingo sy bika aman’endrika, ny filatroana, ny fampisehoana andraisan’ireo mpanakanto zanak’i Toamasina anjara mandritra ny 3 andro.

Efa azo tsapain-tanana ankehitriny ny vokatry ny fisian’ny hetsika « Mihamy Mada Fashion » eo amin’ireo tanora izay nandray anjara tao anatin’ny andiany 3 tany aloha, tsy vitsy ireo mpamorona haihaingo no efa lasa miroborobo ankehitriny ny fandraharahana izay ataony, rehefa nahazo sehatra nampahafantarana ny kanto izay ataony, ary efa afaka mivelona amin’izany mihitsy.

Nanampy betsaka tamin’izay rahateo koa ny tohana izay omen’ny minisitera an’ireo tanora te handraharaha eo amin’ny sehatry ny kolontsaina sy ny indostrian’ny famoronana amin’ny alalan’ny Ivotoeram-pikotrehana orinasa ara-kolontsaina (centre d’incubation en entrepreneuriat culturel et industrie créative) « Tosik’Art », izay nosantarina tany Toamasina nanomboka ny taona 2021, ary efa misy eto Antananarivo sy any Ihosy, ankoatra ireo 6 hafa izay efa miandry ny fisokafany ankehitriny.

Ny tanjona napetraky ny minisitera dia ny mba ahafahan’ny tanora manan-talenta ara-javakanto mamadika izany talentany izany ho fandraharahana ara-toekarena mahavelona azy.

#mmf2023#mmf501

#MihamyMadaFashion2023

#Minisiteran_ny_Serasera_sy_ny_Kolontsaina