MPANAKANTO DO B

Notoloran’ny fitondram-panjakana ny mari-boninahitry ny kanto, soratra ary ny kolontsaina.

Tanora vao erotrerony, kanefa efa manana ny lazany maneran-tany, nikiry, niasa ary niezaka ka nahatratrarany ny tanjony, amin’ny maha matihanina azy momba ny kolontsaina famoranana feon-kira amin’ny vava i Do B. Taorian’ny fifaninanana maneran-tany « Beatbox Battle World Championsip » notanterahina tany Allemagne izay nandraisany anjara ka nibatany ny laharana voalohany, teo amin’ny sokajy « Vocal scratch », notoloran’ny fanjakana Malagasy tamin’ny alalan’ny Minisiteran’ny Serasera sy ny Kolontsaina, ny mari-boninahitra Chevalier de l’Ordre des Arts, des Lettres et de la Culture androany i RASOLOFOARISON Ronaldo.
Taranja ara-kolontsaina mbola tsy nahazatra ny maro teto Madagasikara ny “beatbox” na dia efa manana ny toerana maha-izy azy aza any ivelany. Vonona hatrany ny hanohana ireo mpisehatra tsy ankanavaka, mitondra avo ny lazan’i Madagasikara amin’ny fifaninana iraisam-pirenena rehetra momba ny Kolontsaina ny Minisiteran’ny Serasera sy ny Kolontsaina, hoy Ramatoa Minisitra Lalatiana RAKOTONDRAZAFY.
Nandritra ity lanonana ofisialy androany ity dia nisy ihany koa ny fampisehoana niarahan’i Do B tamin’i Moni, Bolo ary i Epistolier tetsy amin’ny IVOKOLO Analakely.