FAHAMPAFANTARANA AVY AMIN’NY MINISTERAN’NY SERASERA SY NY KOLONTSAINA

𝐍𝐲 𝐌𝐢𝐧𝐢𝐬𝐢𝐭𝐞𝐫𝐚𝐧’𝐧𝐲 𝐒𝐞𝐫𝐚𝐬𝐞𝐫𝐚 𝐬𝐲 𝐧𝐲 𝐊𝐨𝐥𝐨𝐧𝐭𝐬𝐚𝐢𝐧𝐚 𝐝𝐢𝐚 𝐦𝐚𝐦𝐩𝐚𝐡𝐚𝐟𝐚𝐧𝐭𝐚𝐭𝐫𝐚 𝐟𝐚:

– Nisy fahamaizana tokoa ny teny amin’ny faritra manakaiky ny 𝐑𝐨𝐯𝐚𝐧’𝐀𝐧𝐭𝐬𝐚𝐡𝐚𝐝𝐢𝐧𝐭𝐚, kaominina ambanivohitra Androhibe izao alina izao, nanomboka tamin’ny 08 ora sy 20 minitra alina.

– Nisy avy hatrany ny fanairana ny fokonolona nataon’ny tompon’andraikitra tao amin’ny komitim-pokontany Ambohibary izay misy ny Rova ka natao tagnamaro ny famonoana ny afo. Tamin’ny 9 ora sy 5 minitra alina no maty tanteraka ny afo.
– Marihina fa ny tranon-dRabodozafimanjaka akaikin’ny Rova no may tanteraka, tsy voakitiky ny afo kosa ny Rovan’Antsahadinta.
– Tsy mbola fantatra izay niavian’ny afo fa efa eny an-toerana kosa ny mpitandro filaminana handray an-tanana ny fanokafana ny fanadihadiana.
– Ankasitrahana feno ireo rehetra niara-nisalahy nahafahana nifehy ny fihanaky ny afo haingana.

– Tsiahivina fa ny Rovan’Antsahadinta dia voasokajy ho 𝐡𝐚𝐫𝐞𝐦𝐛𝐚𝐤𝐨𝐦-𝐩𝐢𝐫𝐞𝐧𝐞𝐧𝐚 𝐧𝐚 «𝐏𝐚𝐭𝐫𝐢𝐦𝐨𝐢𝐧𝐞 𝐧𝐚𝐭𝐢𝐨𝐧𝐚𝐥» na dia tsy ny Minisitera misahana ny Kolontsaina aza no mitantana azy fa ny Fikambanan’ny taranaka efa hatramin’izay ka hatramin’izao.