16 DESAMBRA 2023: NIPETRAKA AMIN’NY FOMBA OFISIALY HITONDRA NY TANIN’NY REPOBLIKAN’I MADAGASIKARA MANDRITRA NY 5 TAONA INDRAY NY FILOHA ANDRY RAJOELINA.

Tamin’ny alalan’ny lanonam-pitsarana manetriketrika teo Ambany fitarihan’ny Fitsarana Avo momba ny Làlam-panorenana, no nandraisan’ny Filoha Andry Nirina RAJOELINA indray ny fahefana hitantana ny REPOBLIKAN’I Madagasikara ho amin’ny fe-potoana 5 taona indray.

Nilaza ny Filoha RAJOELINA fa ankasitrahiny ny fitokisana apetraka aminy mba ho fanohizana ny asa efa natomboka, ary hijoro ny tenany ho Filoha hampiray ny malagasy rehetra sy mpiaro ny tombontsoa iombonana.
Raha niompana tamin’ny fametrahana ireo fotodrafitr’asa fototra tsy tambo isaina manakaiky sy ilain’ny vahoaka mba hanatratrarana ny fahatarana lalina misy, no natao laharam-pahamehana eto amin’ny firenena, hoy ny Filoha Andry RAJOELINA, ny 5 taona manaraka kosa dia hiompana amin’ireto andry 3 ireto:
1️⃣ Fanomezan-danja ny mahaolona sy ny fiahiana ara-tsosialy mba ho fanatsarana ny kalitaon’ny fiainana isan-tokantrano. Ka hojerena manokana ny marefo, ny vehivavy, ny tanora ary ny ankizy;
2️⃣ Fampiroboroboana ny famokarana sy fanodinana eto amintsika izay ilaina rehetra, ary ny fampiofanana arak’asa sy ny famoroana asa. Izany dia ampiarahina amin’ny fanamby famokarana angovo azo avaozina sy hazavana ho an’ny tokantrano rehetra;
3️⃣ Fanatsarana ny fitantanana ny asam-panjakana sy ny volam-panjakana. Ny ady amin’ny kolikoly sy ny gaboraraka. Ary ny fanamboarana ireo Lalam-pirenena rehetra manerana ny nosy.
Izany rehetra izany dia ao anatin’ny Firaisan-kina sy fiaraha-mientana ary fiarovana hatrany ny tombontsoa iombonana.
Antso avo fifanomezan-tànana avy amin’ny malagasy rehetra no namaranany ny lahateniny.
Marihina fa Filoham-panjakana vahiny miisa 7, ny Filohan’ny Banky Afrikana momba ny Fampandrosoana, filohan’ny Fiombonambe Afrikana, Filoha lefitra na Praiminisitra ary iraka avy amin’ny firenena vahiny maro no nanotrona sy nanome voninahitra ity fotoandehibe androany ity.

Nitohy ny folakandro ny fety teny amin’ny Kianjan’ny Barea ary nofaranana tamin’ny afomanga lehibe.