3 MEY, ANDRO MANERAN-TANY HO AN’ NY FAHALALAHAN’ NY ASA FANAOVAN-GAZETY

Ny Havoria, Auditorium et Musee de l’Audiovisuel de Madagascar etsy Anosy no nandray ny lanonana ofisialy fankalazana ny andro maneran-tany ho an’ny fahalalahan’ny asa fanaovan-gazety omaly.

Miavaka ity fanamarihana ity, hoy ny filohan’ny holafitry ny mpanao gazety, ?????? ????????? ????????????, satria amin’ity taona 2024 ity ihany koa no mankalaza ny faha 50 taonany ny holafitra. Fa ankoatra izany dia nampiavaka ny fankalazana koa ny lohahevitra hoe : « ???????-?????? ????? ?? ??’?? ??????? ??????? : Ny Krizy ara-??????? ??????? ?? ?? ??? ????????-??????. »

Isan’ny nanome voninahitra ity lanonana ity ny mpandrindra ny asan’ny firenena mikambana monina eto Madagasikara, Issa SANOGO, izay nanamarika fa loza manambana ny fiainan’ny zanak’olombelona ny fahasimban’ny tontolo iainana, ary manana anjara andraikitra amin’ny fampahafantarana izany ny mpanao gazety mba hisakanana ny fiparitahan’ny tsaho sy ny vaovao diso.

Ny Minisitry ny Serasera sy ny Kolontsaina mpisolo toerana, ???????????????? ??????, kosa dia nilaza fa mampitodika antsika amin’ny zava- misy iainana eto Madagasikara ny lohahevitra nosafidiana. Miasa ho an’ny fampiroboroboana ny asa fanaovan-gazety sy fampitam-baovao matanjaka sady malalaka, hoy izy ny Minisiteran’ny Serasera sy ny Kolontsaina ary ilaina ny asa fanaovan-gazety mahaleo tena mifototra amin’ny zava- misy marina, indrindra amin’izao ankatoky ny fifidianana izao. Etsy ankilany koa ny firoboroboan’ny ny tamba-jotran- tserasera izay manamora ny fiparitahan’ny vaovao diso na iniana disoina.

Nanamarika ity fankalazana ity koa ny adihevitra teo amin’ny mpanao gazety sy tompon’andraikitra avy amin’ny Minisiteran’ny Serasera sy ny Kolontsaina ary ny Minisiteran’ny tontolo iainana sy ny fandrosoana lovainjafy manodidina ny loha-hevitra androany, sy ny fanokafana ny fampirantiana sary karakarain’ny fikambanan’ny mpanao gazety mpaka sary eto Madagasikara.

Hitohy amin’ny hetsika ara-panatanjahantena « Iray eny an-kianja » izay tanterahina eny amin’ny kianja BAREA Mahamasina androany ny fanamarihana ny andron’ny 3 mey.

???? ?????????? ?????????? ?? ???????????? ?? ??????’?? 3 ??? 2024.