FAMPIOFANANA HO AN’NY MPISEHATRA EO AMIN’NY SARIMIHETSIKA MALAGASY : FIKATSAHANA HAHA-MATIHANINA NY SEHATRA

Fampiofanana in-telo isan-kerinandro, mandritra ny 2 volana ho an’ny dingana voalohany, ary 2 volana hafa koa ho an’ny dingana faharoa, ahitana ny taranja fototra na « bases » amin’ny fomba fanoratana tantara amin’ny horonan-tsary (écriture cinématographique), ny filalaovana (actorat), ny famokarana (production), ny asa aorian’ny fanodinana (post-production), ny fanatontosana horonan-tsary (réalisation), sy ny pitsopitsony ara-teknika samihafa amin’ny sarimihetsika.

Izay no votoatin’ny tolotra omen’ny Minisiteran’ny Serasera sy ny Kolontsaina, amin’ny alalan’ny ISSM (Ivotoeran’ny Sarimihetsika sy ny Sarimiaina) ho an’ireo mpisehatra eo amin’ny sarimihetsika sy sarimianina eto Madagasikara.

Natomboka tamin’ny fomba ofisialy androany ny fampiofanana, tetsy amin’ny IVOKOLO Analakely, ka nandritra izany no nampahafantarana ireo mpampiofana izay ahitana malagasy mipetraka eto sy any ivelany sy vahiny izay manana traikefa nandritra ny taona maro ihany koa eo amin’ireo asa samihafa mandrafitra ny sehatry ny sarimihetsika.

Nandritra ny lanonana nanamarihana ny fanombohana ny fampiofanana no nampahafantaran-dRamatoa Minisitry ny Serasera sy ny Kolontsaina ny ezaka maro be nataon’ny Minisitera momba ny fanatsarana ity sehatry ny sarimihetsika ity nanomboka ny taona 2019 nametrahana ny ISSM.

Anisan’izany ohatra ny fametrahana ny « visa de classement », ny fandaminana na « régulation »ny trano famokarana, ny trano fandefasana horonan-tsary, sy ny fametrahana ny « registre public du cinéma et de l’image animée » ka nahafahana nanoratra ireo mpisehatra mba hanana laharana ahafantarana azy ireo ara-panjakana.

Teo koa ny ady amin’ny hosoka izay nankasitrahan’ireo mpisehatra manokana ny vokatra lehibe azo nanomboka ny taona 2020 no nankaty, araka ny tarehimarika izay navoaka androany.

Anisan’ny vina goavana nampahafantarin-dRamatoa Minisitra koa ny fisian’ny famatsiana ara-bola hataon’ny Minisitera ho an’ireo manana tetikasa famokarana horonan-tsary, amin’ny alalan’ny « appel à projets », ka ireo vinana horonan-tsary mendrika dia hovatsian’ny Minisitera vola ny famokarana sy ny fanatontosana azy ary ampian’ny Minisitera koa ny fanaparitahana azy.

Marihana fa nambaran-dRamatoa Minisitra fa afaka mampiasa ny toerana samihafa tahaka ny « Tranoben’ny Serasera sy ny Kolontsaina » manerana ny faritra, ny « Ivokolo », ny « Havoria » eo Anosy sy ny « ANAC » rehefa vita ireo mpisehatra amin’ny sarimihetsika hanaovan’izy ireo ny « projection » an’ireo horonan-tsary izay vokariny ihany koa.

Amin’ny antonona sy lavitr’ezaka dia hanohy ny tosika ara-bola ny famokarana horonan-tsary manaraka ny fenitra maha-matihanina ny Minisitera.

Nisaotra ny Minisitera ireo mpisehatra tamin’ny alalan’ny solotenan’izy ireo, Atoa Ratrema, noho ny ezaka natao ho fampivoarana izany tontolon’ny sarimihetsika izany ary miandrandra fiovana lehibe hirosoana mankany amin’ny matihanina ho an’ireo mahavita ny fiofanana hatramin’ny farany.

Marihana mantsy fa rehefa vita ny dingana faharoa dia hisy ny fitiliana ireo misongadina mba hampiofanina eo amin’ny lafiny fandraharahana ara-kolontsaina sy zavakanto, ao anatin’ny « Centre d’incubation en entrepreneuriat culturel et industrie créative » ho an’ireo tanora misehatfa eo amin’ny sarimihetsika.