FIFANAKALOZAN-DRAMATOA MINISITRY NY SERASERA SY NY KOLONTSAINA TAMIN’IREO IRAKA MPANARA-MASO NY FIFIDIANANA AVY AMIN’NY VONDRONA EOROPEANA

Nandray an’ireo delegasiona avy amin’ny vondrona Eoropeana mpanara-maso ny raharaham-pifidianana Ramatoa Lalatiana Rakotondrazafy ANDRIATONGARIVO androany maraina tao amin’ny biraony. Izy ireo dia iraka manokana nijery ny tohin’ny torohevitra na « recommandations » nataon’ny vondrona eoropeana taorian’ny fifidianana tamin’ny taona 2018.
Ny lafiny serasera no tena niompanan’ny adihevitra teo amin’ny roa tonta. Nanazava ny dingana goavana momba ny nahazoana ny lalàna 2020-006 mifehy ny serasera amin’ny haino vaky jery Ramatoa minisitra, fa indrindra ny fiarovana ny mpanao gazety ho afaka hanao ny asany an-kahalalahana. Mba ho fiantohana ny fiantohana izay fiarovana ny mpanao gazety izay dia nilaza Ramatoa minisitra fa mamporisika manokana ireo mpanao gazety sy ny mpiserasera mba hanatona ny minisitera raha misy faneriterena na fandrahonana mahazo azy ireo amin’ny fanatanterahany ny asany, ao anatin’ny fanajana tanteraka ny lalàna manan-kery.