VOLANA IRAY IRAY , SOATOAVINA IRAY

« Fomba amam-panao manodidina ny fahaterahana » no navohitra tamin’ny volana iray, Soatoavina iray ampahibemaso notontosaina tao amin’ny Efitrano DOX, tranombokim-pirenena tamin’ity volana May ity.

Fampahafantarana ny taotsarintany ara-kolontsaina mikasika ny fahaterahana amin’ireo faritra samihafa eto Madagasikara no nasongadina tamin’izany toy ny:

-SALIANDRO ao amin’ny faritra MELAKY,

-NAHANDRO SAROGNO ao SAVA,

-RANGINALY ao DIANA,

-SASA RAPAKA ao ANALANJIROFO,

-VOTSIRA ao ANÔSY,

-TERA-BAO ao ATSINANANA, ALAOTRA MANGORO, BONGOLAVA, ITASY,

-FIZAHAM-MPIFANA ao MATSIATRA AMBONY,

-MIFANA ao AMORON’IMANIA,

-JABELY ao ATSIMO ANDREFANA,

-FAGNABOAHA JABELY ao MENABE,

-FAMPANDROANA ao FITOVINANY,

-MAMOAKA AM-PATANA ao VATOVAVY,

-TODY SANDIMBA sy ALA VOLOBOTY ao ATSIMO ATSINANANA ,

– SANDIMBA ao IHOROMBE…

Ankoatra ireo dia nisy ny fampitana tahirin-kevitra an-tsary milohateny hoe « Soatoavina » izay ahitana ny fomba amam-panao manodidina ny fahaterahana ao amin’ny faritra BETSIBOKA, BOENY, MELAKY.

Lalao fampiharana ireo rehetra ireo no namaranana ny fihaonana nanamafisana ny fiombonan’ny mpiara-miasa eo anivon’ny Minisiteran’ny Serasera sy ny Kolontsaina sy ireo rehetra liana amin’ny maha Malagasy tonga nanatrika ny fotoana.