IRAY VOLAN’NY SARY HOSODOKO Faritra IHOROMBE

Misy mpanan-talenta eto Ihosy renivohitry ny Faritra, fa mbola misehatra ivelan’ny matihanina.

Noho izany, mandritra an’ity « Iray volan’ny sary hosodoko andiany voalohany » izay haharitra hatramin’ny 12 Aogositra ity dia ataon’ny Fitaleavam-paritry ny Serasera sy ny Kolontsaina Ihorombe vaindohan-draharaha ny mametraka fanamby hitarika sy hanofana azy ireo ho amin’izany sehatry ny « professionnel » izany.

Efa nisy ny fivoriana in-droa miantoana nokarakaraina.

Ka tapaka tamin’izany fa manomboka amin’ny faha-26 Jolay ho avy izao ny varotra fampirantiana izay hotanterahina eo amin’ny « Jardin Public Ihosy ».

Miisa 09 moa ireo efa nisoratra anarana handray anjara amin’izany.