LANONANA FANANDRATANA NY MPIKIRAKIRA NY TENY SY NY LITERATIORA MALAGASY

Hetsika niavaka roa sosona no nivoitra tao amin’ny Efitrano Dox tetsy amin’ny Tranombokim-pirenena malagasy etsy Anosy androany Alakamisy faha-28 Jolay tamin’ny folo maraina.

Fanolorana Mariboninahitry ny kanto sy ny Soratra ary ny Kolontsaina « Commandeur de l’Ordre des arts, des lettres et de la culture » ho an’ny andrarezin’ny literatiora malagasy telo mianadahy, an’i Toetra Ràja, Ny Malodohasaha ary Solotiana Nirhy-Lanto Ramamonjisoa no ampaham-potoana voalohany.

Kaonferansa momba ny Literatiora kosa no nanjohy izany.

Mpanoratra manana ny naha izy azy tokoa ireto notolorana Mariboninahitra:

i RAJAONARIVONY Toetra na i TOETRA RAJA dia Poeta nanangana ny tranonkala Poetawebs sy ny Havatsa UPEM Frantsa.

Namoaka ny boky Tiako-Tiako foana.

Nandrindra ny boky Sorapiainana 1, 2, 3 izay maneho tantaram-piainana Poeta izy.

Tafiditra ao amin’ny boky fampianarana PREPA fidirana amin’ny Sekoly lehibe momba ny varotra sy fitantanana any Frantsa ny tononkalony mitondra ny lohateny hoe »Etsy Matoria ».

Mitaha amin’ny asa soratr’ireo Poeta malaza toa an-dry Lamartine, Ronsard, Alfred de Musset izay voarakitra ao amin’ny boky « Magie d’aimer » izany.

RAJAONARIMANANA Narivelo fantatra amin’ny solon’anarana NY MALODOHASA kosa dia Mpanoratra Rakibolana, Mpikaroka sy mpanoratra boky momba ny fampianarana ary indrindra mpanao velakevitra teo amin’ny sehatra iraisam-pirenena.

Mpikaroka momba ny teny malagasy izy ary nandalina manokana ny sorabe.

Maro ireo boky efa navoakany toy ny Dictionnaire du malgache contemporain, Pasteur Rajaonary « of tombé dans la poussière », Rakibolan’ny mpianatra izay efa mipariaka manerana ny Nosy, civilisation des mondes insulaires.Nanangana ny Mozea Mpitandrina Rajaonary izy.

i Nirhy-Lanto RAMAMONJISOA Solotiana Vonimpitiavana, dia mpampianatra literatiora ao amin’ny INALCO Paris.

Mpitarika velakevitra sy fihaonambe eto an-toerana sy eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena.

Izy no mpitarika sy mpandrindra ny gazetiboky Études Océan Indien.

Maro ireo Karoka navoakany ho boky izay mikasika ny teny malagasy, ny Literatiora, ny Kolontsaina, ny mpanoratra,ny lanjan’ny loka ara-literatiora.

Singanina amin’ireny ny « Anthologie de la littérature malgache », Jupiter, Bruno Rahaingo, Ny Malodohasaha.

Tsapa tokoa fa na ny teratany vahiny aza dia misitraka ny hamamin’ny teny malagasy voizin’izy ireto mpanoratra ireto.

Niharihary tamin’ny velakevitra milohateny hoe Rakibolana sy Literatiora : Fitaovam-pikajiana ny teny malagasy fa sehatra hikoloana ny teny malagasy ny Rakibolana.

Koa zava-dehibe ny fananana Kolontsain’ny Rakibolana na ny fahazarana mikirakira izany hifehezana ny teny.Tsy azo hadinoina ihany koa fa mitahiry sy mamelo-maso ny teny ny Literatiora ka tsara indrindra ny anasongadinana izany hatrany.