LANONANA FAMARANANA NY HETSIKA IRAY VOLAN’NY SARY HOSODOKO

Androany no nofaranana tamin’ny fomba ofisialy ny hetsika Iray Volan’ny Sary hosodoko manerana ny nosy, hetsika nokarakarain’ny Minisiteran’ny Serasera sy ny Kolontsaina.
Tanjona tamin’izany raha tsiahivina ny hanosika ireo mpisehatra sy mpikanto rehetra tsy ankanavaka mba ho afaka mivelona amin’ny sangan’asany sy ny asa famoronany.
200 latsaka ny mpandray anjara tamin’ity andiany voalohany ity nanerana ny Nosy, izay samy notoloran’ny Minisitera mari-pankasitrahana avokoa androany.
Notolorana mari-pankasitrahana ihany koa ireo mpiara-miasa tamin’ny fanatontosana ny hetsika raha ny teto Antananarivo manokana, isan’ireny ny Kaominina Antananarivo Renivohitra, ny CGM, ny Alliance Française, ny IKM, ny Jumbo Score, ny ORTANA.
Tsy hijanona hatreo akory ny hetsika Iray Volan’ny sary hosodoko.
Hisy ny « base de données » hamondronana ny antontan’isan’ireo mpanao hosodoko rehetra manerana an’i Madagasikara, ahafahan’izy ireo mifanerasera, hifampizara fahalalana sy traikefa, fa indrindra hanamora ny fifandraisain’ny mpisehatra rehetra amin’ny Minisitera mpiahy.
Hatsangana ny vovonana fifanakalozana (plateforme d’échange) eo amin’ny mpanao hosodoko sy ny Minisitera, hoy ny Sekretera Jeneralin’ny Minisiteran’ny Serasera sy ny Kolontsaina, Johary RALAIMAZAVA, izay nisolotena an-dRamatoa Minisitra, ahafahana mandinika ny fomba entina manohy ny hetsika sy ny fanatsarana hatao amin’izany.