Fandaharan’asa « Ndao hamaky boky !

Anisan’ny fialam-boly azo atao mandritry ny fialan-tsasatra toy izao ny mamaky boky, ka anatin’izany indrindra no hanohizan’ny Minisiteran’ny Serasera sy Kolontsaina amin’ny alalan’ny Tranombokim-pirenena eto Madagasikara ny hetsika « Ndao hamaky Boky ! »

Androany dia nosafidiana manokana ireo akany mitaiza ankizy eto Antananarivo, ka ny Akany Soa Kanto 67Ha sy ny Akany ONG Manda eny Tsiadana no nandray ny hetsika, izay notohanan’ny fikambanana « Orange Solidarité Madagascar ».

Nandritry ny hetsika androany dia nisy hatrany ny fampahafantarana mpanoratra malagasy, ny fitantarana angano ary ny fifaninana isan-karazany.

Marihina fa mitohy misokatra hatrany ny tranombokim-pirenena etsy Anosy sy ireo rantsany eny anivon’ny tranoben’ny serasera sy kolontsaina ary mitohy hatrany ihany koa ny fanentanana any amin’ny ireo CLAC rehetra manerana ny nosy mandritra izao fialantsasatra izao.

Amin’ny andraikitra sahaniny ho fampiroboroboana ny vaky boky sy ho fanohanana ny rohin’ny boky, ny Minisiteran’ny Serasera sy Kolontsaina dia mametraka hatrany ho zava-dehibe ny fampahafantarana ireo mpanoratra malagasy ankehitriny sy ny fanentanana ny mpiray tanindrazana hankafy ny vaky boky.