AKON’NY FAMARANANA NY IRAY VOLAN’NY SARY HOSODOKO FARITRA BONGOLAVA

Isan’ny Faritra nandray anjara navitrika tamin’ny hetsika iray Volan’ny Sary Hosodoko andiany voaloany, izay nokarakarain’ny Minisiteran’ny Serasera sy ny Kolontsaina, ny Faritra Bongolava.

Nisy ny fizaràna mari-pakasitrahana avy amin’ny Ministera ho an’ireo mpanankato nandray anjara tamin’ny hetsika.

Azo lazaina ho fahombiazana tanteraka ny hetsika satria maro ireo liana nandritra ny fampiratiana natao teo anoloan’ny Ala madiro Tsiroanomandidy.