Michèle RAKOTOSON | ANDRAREZIN’NY HAISORATRA, ATOLOTRA SY ARANTIN’NY MINISITERAN’NY SERASERA SY KOLONTSAINA MANDRITRA NY VOLANA OKTOBRA

Mpanoratra fanta-daza ary mpanao gazety feno nitondra avo ny lazan’i Madagasikara hatrany ivelany i Michèle RAKOTOSON.

Efa nahazo loka maro tamina fifaninanana iraisam-pirenena, ary dia izao miatrika indray ny dingana famaranana ny fifaninanana «14ème Prix Ivoire pour la Littérature Africaine d’Expression Francophone» izao, amin’ny alàlan’ny boky navoakany farany milohateny « Ambatomanga, le silence et la douleur ».

Ny 26 Novambra 2022 moa no hivoahan’ izany valin’ny fifaninanana izany.

Isan’ireo sangan’asany ahafantaran’ny mpankafy ny asa sorany ny Dadabé (1984), Le bain des reliques (1988), Juillet au Pays (2007), Madame à la Campagne (2015).

Ho fanehoana ny fanohanana azy amin’izany fifaninanana iraisam-pirenena izany, dia tanterahina etsy amin’ny Tranombokim-pirenen’i Madagasikara mandritra ny volana Oktobra manontolo, ny hetsika fampahafantarana ny asa soratra sy ny antsipirihany mombamomba an’i Michèle RAKOTOSON.

Natao androany ny lanonana fanokafana izany; ny Zoma 14 Oktobra no ampahafantarana ofisialy ny boky «Ambatomanga, le silence et la douleur»; ny 21 Oktobra kosa dia hisy ny famoahana ny asa sorany manaraka ary hanohizana ihany koa ilay fandaharan’asa «Opération bokiko» izay novolavolainy.

Ary hofaranana ny faha 28 Oktobra izany « Volana iray, mpanoratra iray » natokana ho azy izany.

« Tsy ho toy izao aho raha tsy nisy ny tranomboky », hoy i Michèle RAKOTOSON ary nentiny nanentanana ny taranaka aty aoriana ho liana amin’ny vaky boky izany satria manam-be hoy izy ny fananana tranomboky ka tsara araraotina izany.

Marihina fa i Michèle RAKOTOSON no mpanoratra malagasy faharoa tafiakatra tamin’ny dingana farany amin’ity fifaninana ity, taorian’ny mpanoratra Johary RAVALOSON tamin’ilay boky « vol à vif » tamin’ny taona 2017 izay nandrombaka izany tamin’io taona io.